plt_tn/1th/05/01.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia nanohy niresaka momba ny andro hiavian'i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Amin'ity toko ity ny teny hoe: "isika" sy "antsika" dia manondro an'i Paoly, Silasy, Timoty, raha tsy hoe misy fanamarihana. Ny teny hoe: "ianareo" ihany koa dia milaza maro ary manondro ireo mpino ao amin'ny fiangonan'ny Tesalonika.

Ireo fotoana sy ireo vanim-potoana

Izany dia manondro ireo zava-nitranga talohan'ny fiverenan'i Jesosy Tompo.

Rahalahy

Eto ny "rahalahy" dia midika hoe Kristiana namana.

Mahafantatra tsara

"Tena tsara" na "marina tsara."

Tahaka ny mpangalatra amin'ny alina

Tahaka ny tsy ahafantarana hoe rahoviana ny alina ahatongavan'ny mpangalatra, isika ihany koa dia tsy mahalala ny andro hiavian'ny Tompo. DH: "tsy ampoizina."

Rehefa miteny izy ireo

"Rehefa miteny ny olona."

Fahapotehana tampoka

"Fahapotehana tsy nampoizina."

Tahaka ny fahararian'ny vehivavy bevohoka rehefa miteraka

Tahaka ny fahararian'ny vehivavy bevohoka tampoka rehefa hiteraka ary tsy mijanona raha tsy teraka, ny fahatongavan'ny fandringanana, ary tsy ho afa-mandositra ny olona.