# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Paoly dia nanohy niresaka momba ny andro hiavian'i Jesosy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Amin'ity toko ity ny teny hoe: "isika" sy "antsika" dia manondro an'i Paoly, Silasy, Timoty, raha tsy hoe misy fanamarihana. Ny teny hoe: "ianareo" ihany koa dia milaza maro ary manondro ireo mpino ao amin'ny fiangonan'ny Tesalonika. # Ireo fotoana sy ireo vanim-potoana Izany dia manondro ireo zava-nitranga talohan'ny fiverenan'i Jesosy Tompo. # Rahalahy Eto ny "rahalahy" dia midika hoe Kristiana namana. # Mahafantatra tsara "Tena tsara" na "marina tsara." # Tahaka ny mpangalatra amin'ny alina Tahaka ny tsy ahafantarana hoe rahoviana ny alina ahatongavan'ny mpangalatra, isika ihany koa dia tsy mahalala ny andro hiavian'ny Tompo. DH: "tsy ampoizina." # Rehefa miteny izy ireo "Rehefa miteny ny olona." # Fahapotehana tampoka "Fahapotehana tsy nampoizina." # Tahaka ny fahararian'ny vehivavy bevohoka rehefa miteraka Tahaka ny fahararian'ny vehivavy bevohoka tampoka rehefa hiteraka ary tsy mijanona raha tsy teraka, ny fahatongavan'ny fandringanana, ary tsy ho afa-mandositra ny olona.