plt_tn/1ki/04/29.md

985 B

Nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahazavan-tsaina be i Solomona

Andriamanitra manome fahafahana an'i Solomona mba ho hendry ary hatakatrta zavatra maro dia voalaza toy nanomezan'Andriamanitra zavatra ara-fizika. Ny anarana hoe "fahendrena" sy "fahatakarana" dia afaka hadika ho matoanteny. D.H: "Andriamanitra dia mamela an'i Solomona ho hendry sy hahatakatra zavatra maro"

fivelaran-tsaina toy ny fasika eny amoron-dranomasina.

Solomona dia mahay manakatra zavatra maro momba ny karazana foto-kevitra. Ny anarana hoe "fivelarana" dia azo hadika ho teny. D.H: "Solomona dia mahay manakatra zavatra maro momba ny foto-kevitra malalaka."

Ny fahendren'i Solomona dia nihoatra ny fahendren'ireo olona rehetra

"Solomona dia hendry mihoatra ireo olon-kendry rehetra"

ireo olona rehetra tany antsinanana

Ity dia maneho amin'ny olona avy any amin'ny tanàna atsinanan'Israely toy ny Arabia sy Mesopotamia.

Etana ... Hemana ... Kalkola ... Darda ... Mahola

anaran-dehilahy.