plt_tq/2ch/29/15.md

637 B

Inona no nataon'ireo Levita taorian'ny namoriana ireo rahalahiny?

Ireo Levita sy ireo rahalahiny, dia nanamasina ny tenany tamin'i Yaveh, ary nandeha nanadio ny tranon'i Yaveh.

Inona no nataon'ireo mpisorona tamin'ireo loto rehetra izay hitan'izy ireo tao amin'ny tempolin'i Yaveh araka izay nandiovany izany?

Nalain'ireo mpisorona ireo loto rehetra ary nentina tany an-dohasahan-driakan'i Kidrona izany.

Hafiriana no nandraisan'ireo mpisorona hanamasinana ny tranon'i Yaveh?

Natombok'ireo mpisorona tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folon'ny volana voalohany no vitan'izy ireo.