plt_tq/1jn/01/05.md

577 B

Inona no hafatra avy amin'Andriamanitra izay ambaran'i Paoly amin'ireo mpamaky?

I Jaona dia manambara ny hafatra fa Andriamanitra dia fahazavana, ary ao aminy dia tsy misy haizina mihitsy.

Inona no lazain'i Jaona momba ny olona izay milaza fa manana fifandraisana amin'Andriamanitra, kanefa mandeha ao anatin'ny haizina?

Nilaza i Paoly fa ny olona toy ireny dia mpandainga ary tsy manao ny marina.

Ho an'ireo izay mandeha ao amin'ny fahazavana, inona ny fanadiovana azy ireo amin'ny fahotana rehetra?

Ny ràn'i Jesosy no manadio azy ireo amin'ny fahotana rehetra.