initial conversion

This commit is contained in:
Larry Versaw 2019-07-11 18:03:29 -06:00
parent 29deb5a81d
commit f07953748d
2720 changed files with 16250 additions and 2 deletions

8
1co/01/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Iza no niantso an'i Paoly ary inona no niantsoana azy?
Jesosy Kristy no niantso an'i Paoly ho apostoly.
# Inona no nirin'i Paoly ho raisin'ny fiangonana any Korinto avy amin'Andriamanitra raintsika sy Tompo Jesosy Kristy?
Paoly dia naniry azy ireo mba hahazo fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra raintsika sy Tompo Jesosy Kristy.

4
1co/01/04.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Ahoana no fomba nanaovan'Andriamanitra manan-karena ny fiangonana any Korinto?
Tamin'ny fomba rehetra izy ireo no nataon'Andriamanitra manan-karena, amin'y teny rehetra ary amin'ny fahalalana rehetra.

8
1co/01/07.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no tsy nampahory ny fiangonana any Korinto?
Tsy ory fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo.
# Nahoana Andriamanitra no hampahery ny fiangonana Korinto any amin'ny farany?
Hanao izany Izy mba tsy hanan-tsiny izy ireo amin'ny andron'ny Tompontsika Jesosy Kristy.

8
1co/01/10.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Mampirisika ny fiangonana Korinto hanao inona Paoly?
Paoly dia mampirisika azy ireo mba hifanaraka avokoa ka tsy hisy fizarazarana eo amin'izy ireo, ary mba hiombona amin'ny saina mitovy sy tanjona mitovy izy ireo.
# Inona no notaterin'ny olon'i Kloe tamin'i Paoly?
Ny olon'i Kloe dia nitatitra tamin'i Paoly fa nivoatra ny fifampiandaniana eo amin'ny olon'ny fiangonan'i Korinto.

4
1co/01/12.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no tian'i Paoly ambara amin'ny fifampiandaniana?
Ny tian'i Paoly ambara dia hoe: Ny tsirairay aminareo milaza hoe: "Miaraka amin'i Paoly aho," na "Miaraka amin'i Apolosy aho," na "Miaraka amin'i Kefasy aho," na "Miaraka amin'i Kristy aho."

4
1co/01/14.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana i Paoly no nisaotra an'Andriamanitra hoe tsy nanao batisa afa-tsy i Krispo sy Gaio?
Nisaotra an'Andriamanitra noho izany Paoly satria tsy nanome irika hilazan'izy ireo hoe vita batisa tamin'ny anaran'i Paoly izany.

4
1co/01/17.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no nanirahan'i Kristy ho ataon'i Paoly?
Kristy nandefa azy mba hitory ny filazantsara.

8
1co/01/18.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no hafatry ny hazofijaliana amin'ireo izay ho faty?
Fahadalana no hafatry ny hazofijaliana amin'ireo izay ho faty.
# Inona no hafatry ny hazofijaliana amin'ireo izay navotan'Andriamanitra?
Izany dia herin'Andriamanitra eo amin'ireo izay navotan'Andriamanitra.

8
1co/01/20.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Navadik'Andriamanitra ho inona ny fahendren'izao tontolo izao?
Andriamanitra namadika ny fahendren'izao tontolo izao ho fahadalana.
# Nahoana no mahafaly an'Andriamanitra ny mamonjy ireo izay mino amin'ny alalan'ny fahadalan'ny fitoriana?
Sitrak'Andriamanitra ny manao izany satria izao tontolo izao dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra tao amin'ny fahendreny.

8
1co/01/26.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Firy no hendry raha amin'ny maha-olombelona na hery na avo firazanana no nantsoin'Andriamanitra?
Andriamanitra tsy niantso ny maro tahaka izany.
# Nahoana Andriamanitra no nisafidy ny zavatra adalan'izao tontolo izao ary izay malemy amin'izao tontolo izao?
Nanao izany Izy mba hampahamenatra ireo hendry ary hampahamenatra izay matanjaka.

4
1co/01/28.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no nataon'Andriamanitra mba tsy hisy na iza na iza hirehareha eo anatrehany?
Andriamanitra nisafidy izay ambany sy atao tsinontsinona eto amin'izao tontolo izao eny hatramin'ny zavatra izay heverina ho tsinontsinona.

12
1co/01/30.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,12 @@
# Nahoana ireo mpino no ao amin'i Kristy Jesosy?
Ao amin'i Kristy Jesosy izy ireo noho izay nataon'Andriamanitra.
# Lasa inona ho antsika i Kristy?
Lasa fahendrentsika avy amin'Andriamanitra ho antsika Izy-fahamarinantsika, fahamasinantsika, ary fahafahantsika.
# Raha hirehareha isika, dia amin'iza no tokony hirehareha?
Aoka izay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo.

8
1co/02/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Tamin'ny fomba ahoana no nandehanan'i Paoly tany amin'ireo Korintiana rehefa nanambara ny marina miafin'Andriamanitra izy?
Tsy tonga tamin'ny lahateny mihaja na fahendrena izy rehefa nanambara ny marina miafin'Andriamanitra.
# Nanapa-kevitra hahafantatra inona i Paoly rehefa teo amin'ireo Korintiana?
Paoly dia nanapa-kevitra tsy hahafantatra na inona na inona afa-tsy Kristy, sy Izy voahombo.

4
1co/02/03.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana ny tenin'i Paoly sy ny fanambarany no natao tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery fa tsy tamin'ireo teny fandresen-dahatry ny fahendrena?
Izany no natao dia mba tsy ho ao amin'ny fahendren'ny olombelona ny finoan'izy ireo, fa ao amin'ny herin'Andriamanitra.

4
1co/02/06.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no fahendrena noresahin'i Paoly sy ireo izay niaraka taminy?
Niresaka ny fahendren'Andriamanitra ao amin'ny fahamarinana miafina izy ireo-ny fahendrena miafina izay efa notendren'Andriamanitra mialoha talohan'ny voninahitsika.

4
1co/02/08.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Raha nahafantatra ny fahendren'Andriamanitra ireo mpanapaka tamin'ny andron'i Paoly, dia inona no mety tsy nataon'izy ireo?
Raha nahafantatra ny fahendren'Andriamanitra ireo mpanapaka tamin'ny andron'i Paoly dia tsy namantsika ny Tompon'ny voninahitra tamin'ny hazofijaliana izy ireo.

8
1co/02/10.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Ahoana no fomba nahafantaran'i Paoly sy ireo niaraka taminy ny fahendren'Andriamanitra?
Andriamanitra nanambara ireo zavatra ireo tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny Fanahy.
# Iza no mahalala ny zavatra lalin'Andriamanitra?
Ny Fanahin'Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny zavatra lalin'Andriamanitra.

4
1co/02/12.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no antony iray nandraisan'i Paoly sy ireo izay niaraka taminy ny Fanahy izay avy amin'Andriamanitra?
Nandray ny Fanahy izay avy amin'Andriamanitra izy ireo mba hahafantaran'izy ireo ny zavatra omen'Andriamanitra antsika maimaimpoana.

8
1co/02/14.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Nahoana ny olona tsy ara-panahy no tsy afaka mandray na mahafantatra ny zavatra izay an'ny Fanahin'Andriamanitra?
Tsy afaka mandray azy ireny ny olona tsy ara-panahy satria adala izy ireo aminy ary tsy afaka mahafantatra azy ireny satria izy ireo dia tsy fantatra ara-panahy.
# Inona no hananan'ny fisainana mino ao amin'i Jesosy hoy Paoly?
Paoly nilaza hoe manana ny fisainan'i Kristy izy ireo.

8
1co/03/03.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Nahoana i Paoly no milaza fa ireo mpino Korintiana dia mbola araka ny nofo?
Paoly nilaza fa mbola araka ny nofo izy ireo satria ny fialonana sy ny fifandirana no misy eo amin'izy ireo.
# Iza i Paoly sy Apolosy amin'ireo Korintiana?
Izy ireo dia mpanompo izay nahatonga ireo Korintiana hino an'i Kristy.

4
1co/03/06.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Iza no nampitombo?
Andriamanitra no nampitombo.

4
1co/03/10.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Iza no fototra?
Jesosy Kristy no fototra.

8
1co/03/12.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no hiseho amin'ny asan'olona iray izay manorina amin'ny fototr'i Jesosy Kristy?
Ny asany dia ho ambara amin'ny andro mazava sy amin'ny afo.
# Inona no ataon'ny afo amin'ny asan'ny olona iray?
Ny afo hanambara ny hatsaran'izay vitan'ny tsirairay.

8
1co/03/14.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no ho raisin'ny olona raha tsy matin'ny afo ny asany?
Handray valisoa io olona io.
# Inona no hiseho amin'ilay olona izay ho main'ny afo ny asany?
Io olona io dia ho fatiantoka, fa ny tenany dia ho voavonjy, toy ny tafatsoaka tamin'ny afo.

8
1co/03/16.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Iza isika ary inona no miaina ao anatintsika amin'ny maha-mpino an'i Jesosy Kristy antsika?
Tempolin'Andriamanitra isika ary ny Fanahin'Andriamanitra miaina ao anatintsika.
# Inona no hiseho raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra?
Andriamanitra hanimba io olona izay manimba ny tempolin'Andriamanitra io.

8
1co/03/18.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no nolazain'i Paoly taminy izay mihevitra fa izy dia hendry amin'izao vanim-potoana izao?
Paoly nilaza fa, " ... aoka izy ho lasa "adala" mba mety ho lasa hendry."
# Inona no fantatry ny Tompo momba ny fihevitry ny hendry?
Ny Tompo mahafantatra fa fihevitry ny hendry dia zava-poana.

4
1co/03/21.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana no asain'i Paoly mijanona amin'ny fireharehana momba ny olona ireo Korintiana mpino?
Asainy mijanona mirehareha izy ireo, "Satria ny zava-drehetra dia anareo," ary satria, " ... ianareo dia an'i Kristy, ary Kristy an'Andriamanitra" ..

8
1co/04/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Ahoana no fomba tokony handraisan'ireo Korintiana an'i Paoly sy ireo namany hoy i Paoly?
Ireo Korintiana dia tokony handray azy ireo ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina ireo marina miafin'Andriamanitra.
# Inona no iray amin'ireo zavatra takiana amin'ny mpitandrina?
Ireo mpitandrina dia tsy maintsy mendri-pitokiana.

4
1co/04/03.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Iza no nolazain'i Paoly hoe mpitsara azy?
Paoly nilaza fa ny Tompo no mitsara azy.

4
1co/04/05.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no ho ataon'ny Tompo rehefa tonga Izy?
Hitondra hazavana amin'ny zava-miafin'ny haizina sy hanambara ny fikasan'ny fo Izy.

4
1co/04/06.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana i Paoly no mampihatra ireo fitsipika ireo amin'ny tenany sy amin'i Apolosy?
Nanao izany noho ny amin'ireo mpino Korintiana i Paoly mba hianaran'izy ireo ny dikan'izy lazainy, "Aza mandeha mihoatra izay voasoratra," mba tsy hisy iray amin'izy ireo hihevitra ny fankasitrahana ny anankiray noho ny hafa.

4
1co/04/08.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana no nirin'i Paoly hanjaka ireo Korintiana mpino?
Nirin'i Paoly hanjaka ireo Korintiana mpino mba hahafahan'izy sy ireo miaraka aminy manjaka miaraka amin'izy ireo.

8
1co/04/10.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona ireo fomba telo mampifanohitra an'i Paoly sy ireo miaraka aminy amin'ireo mpino Korintiana?
Hoy i Paoly: "Adala noho ny amin'i Kristy izahay, fa ianareo dia hendry ao amin'i Kristy. Izahay malemy, fa ianareo matanjaka. Ianareo nomem-boninahitra, fa izahay nalaim-baraka
# Ahoana no fomba hamaritan'i Paoly ny toetra ara-batan'ireo apostoly?
Paoly nilaza fa izy ireo dia noana sy mangetaheta, mahantra fitafy, voakapoka mafy ary tsy manan-kialofana.

4
1co/04/12.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no navalin'i Paoly sy ireo niaraka taminy rehefa natao tsindry hazo lena izy ireo?
Rehefa voatafika izy ireo, dia voatahy. Rehefa nenjehina izy ireo, dia niaritra izany. Rehefa voaendrikendrika izy ireo, dia niteny tamin'ny hatsaram-panahy.

8
1co/04/14.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Nahoana i Paoly no nanoratra ireo zavatra ireo ho an'ny Korintiana mpino?
Nanoratra ireo izy mba hanitsiana azy ireo amin'ny maha-zanany malala azy ireo.
# Iza no nasain'i Paoly nalain'ireo mpino Korintiana tahaka?
Paoly nilaza azy ireo mba haka tahaka ny tenany.

8
1co/04/17.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no nanirahan'i Paoly an'i Timoty any amin'ireo mpino Korintiana, mba hampatsiahy inona azy ireo?
Paoly nandefa an'i Timoty any Korinto mba hampatsiahy an'ireo mpino any ny lalan'i Paoly ao amin'i Kristy.
# Inona no fihetsiky ny sasany amin'ireo mpino Korintiana?
Ny sasany tamin'izy ireo dia niavonavona, nanao tahaka ny hoe tsy ho tonga any amin'izy ireo Paoly.

4
1co/04/19.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Mifototra amin'ny inona ny fanjakan'Andriamanitra?
Ny fanjakan'Andriamanitra dia mifototra amin'ny hery.

8
1co/05/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inon no tatitra ren'i Paoly momba ny fiangonana any Korinto?
Paoly nandre fa misy fahavetavetana any. Ny iray amin'izy ireo dia niray tamin'ny vadin'ny rainy.
# Inona no nolazain'i Paoly hoe tsy maintsy atao amin'ny olona izay nanota niaraka tamin'ny vadin'ny rainy?
Ilay iray izay nanota niaraka tamin'ny vadin'ny rainy dia tsy maintsy alàna eo amin'izy ireo.

4
1co/05/03.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Ahoana no fomba hanalana ilay olona izay nanota niaraka tamin'ny vadin'ny rainy, ary satria nahoana no alana izy?
Rehefa niara-niombona tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy ny fiangonana tany Korinto dia tokony nanolotra ilay lehilahy manota ho an'i Satana ho famotehana ny nofo, mba ho voavonjy ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo.

8
1co/05/06.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no hampitahan'i Paoly ny fitondran-tena ratsy sy ny faharatsiana?
Ampitahain'i Paoly amin'ny lalivay ireo.
# Inona no sarin-teny ampiasain'i Paoly amin'ny fahamatorana sy ny fahamarinana?
Paoly dia mampiasa ny mofo tsy misy lalivay ho sarin-teny amin'ny fahamatorana sy fahamarinana.

8
1co/05/09.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Iza no nolazain'i Paoly tamin'ireo mpino Korintiana hoe tsy tokony hifandraisana?
Nanoratra ho azy ireo i Paoly mba tsy hifandray amin'ireo olona mpijangajanga.
# Ny mpijangajanga rehetra eto amin'izao tontolo izao ve no tian'i Paoly ambara hoe tsy tokony hifandraisan'izy ireo?
Tsy ny mpijangajanga rehetra eto amin'izao tontolo izao no tian'i Paoly ambara. Mila miala amin'izao tontolo izao ianareo mba hisitihanareo amin'izy ireo.

12
1co/05/11.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,12 @@
# Amin'iza ireo mpino Korintiana no raran'i Paoly tsy hifandray?
Tsy tiany hifandray amin'izay rehetra antsoina hoe rahalahy sy rahavavy ao amin'i Kristy izay mpijangajanga, tsy mahonon-tena, mpiteny ratsy, mpimamo, mpisoloky na mpanompo sampy izy ireo.
# Iza no tokony tsarain'ireo mpino?
Ireo izay ao anatin'ny fiangonana no tokony tsarain'izy ireo.
# Iza no mitsara ireo izay any ivelan'ny fiangonana?
Andriamanitra no mitsara ireo izay any ivelany.

8
1co/06/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no nolazain'i Paoly hoe tokony ho afaka tsarain'ireo olomasina any Korinto?
Paoly nilaza hoe tokony ho afaka mitsara ady eo amin'ny olomasina mikasika ny raharaha eto amin'ity fiainana ity izy ireo.
# Iza no ho tsarain'ireo olomasina?
Hitsara ny tany sy ny anjely ireo olomasina.

4
1co/06/04.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Ahoana no handaminan'ireo Kristiana Korintiana ny adin'izy ireo amin'ny hafa?
Mandeha mifanatrika amin'ny hafa any amin'ny fitsarana ny mpino iray, ary izany tranga izany dia entina eo anatrehan'ny mpitsara iray izay tsy mpino.

4
1co/06/07.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Maneho inona ny fisian'ny ady eo amin'ny Kristiana Korintiana?
Izany dia maneho faheresena ho azy ireo.

8
1co/06/09.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Iza no tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra?
Ireo tsy marina; ireo vetaveta, ireo mpanompo sampy, ireo mpijangajanga, ireo lehilahy mpivaro-tena, ireo izay miara-mandry amin'ny samy lehilahy na samy vehivavy, ireo mpangalatra, ireo tsy mahalala onona, ireo mpimamo, ireo mpanaratsy, ireo mpisoloky dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
# Inona no zava-niseho tamin'ireo Korintiana mpino izay tsy nanao ny marina taloha?
Nodiovina izy ireo ary nohamasinina; nohamarinina teo amin'Andriamanitra tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy Kristy ary tamin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitsika.

4
1co/06/12.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona ireo zavatra roa izay tsy avelan'i Paoly hanandevo azy?
Paoly dia nilaza fa tsy ho andevozin'ny sakafo na firaisana ara-nofo izy.

8
1co/06/14.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Rantsam-batan'iza ny vatan'ireo mpino?
Rantsam-batan'i Kristy ny vatan'izy ireo.
# Tokony hampiray ny tenan'izy ireo amin'ny mpivaro-tena ve ireo mpino?
Tsia.Tsy hisy anie izany

8
1co/06/16.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no miseho rehefa miray amin'ny mpivaro-tena ny olona iray?
Lasa nofo iray aminy izy.
# Inona no miseho rehefa miray amin'ny Tompo ny olona iray?
Lasa fanahy iray miaraka Aminy izy.

4
1co/06/18.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Manota amin'iza ny olona rehefa mijangajanga?
Manota amin'ny vatan'izy ireo manokana izy ireo rehefa mijangajanga.

4
1co/06/19.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana ireo mpino no tokony hanome voninahitra an'Andriamanitra miaraka amin'ny vatan'izy ireo?
Izy ireo dia tokony hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny vatan'izy ireo satria ny vatan'izy ireo dia tempolin'ny Fanahy Masina ary satria izy ireo dia voavidy.

4
1co/07/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana ny lehilahy tsirairay no manana ny vadiny manokana ary ny vehivavy tsirairay manana ny vadiny manokana?
Nohon'ny fakam-panahy amin'ny fahavetavetana maro ny lehilahy tsirairay dia tokony manana ny vadiny manokana ary ny vehivavy tsirairay dia tokony manana ny vadiny manokana ihany koa.

4
1co/07/03.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Manana fahefana amin'ny vatany manokana ve ny vady?
Tsia. Ny lehilahy dia manana fahefana amin'ny vatan'ilay vehivavy vadiny ary tahaka izany ihany koa ny vehivavy dia manana fahefana amin'ny vatan'ilay lehilahy vadiny.

4
1co/07/05.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Rehefa inona no ilain'ny mpivady lahy sy vavy ny tsy miray ara-nofo?
Ilaina izany rehefa mifanaraka ny mpivady lahy sy vavy, ary maka fotoana manokana mba hahafahan'izy ireo manokan-tena amin'ny vavaka.

8
1co/07/08.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no nolazain'i Paoly hoe tsara ataon'ireo mpitondra tena sy ireo olona izay tsy manambady?
Paoly nilaza hoe tsara ho azy ireo ny mijanona tsy manambady.
# Amin'ny toe-javatra inona ireo tsy manambady sy ireo mpitondra tena no tokony hanambady?
Tokony hanambady izy ireo rehefa arehitry ny filàna ka tsy afaka mamehy tena.

4
1co/07/10.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no didy omen'ny Tompo an'ireo izay manambady?
Ny vehivavy dia tokony tsy hisaraka amin'ny vadiny. Raha misaraka amin'ny vadiny izy dia tokony mijanona ho mpanano tena na miverina amin'ny vadiny. Ny lehilahy ihany koa dia tsy tokony hisara-panambadiana amin'ny vadiny.

4
1co/07/12.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Tokony hisaraka amin'ny vadiny izay tsy mpino ve ny lehilahy na ny vehivavy mpino?
Raha mahafaly an'ilay lehilahy na vehivavy tsy mpino ny miara-miaina amin'ilay vadiny, dia tsy tokony tsy hisaraka aminy ilay vadiny izay mpino.

4
1co/07/15.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no tokony ataon'ilay mpino raha mandao azy ilay vadiny izay tsy mpino?
Ilay mpino dia tokony hamela an'ilay vadiny tsy mpino handeha..

8
1co/07/17.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no fitsipika napetrak'i Paoly tao amin'ny fiangonana rehetra?
Ny fitsipika dia hoe: "Aoka ny tsirairay hiaina ny fiainana nanendren'ny Tompo azy ireo, sy niantsoan'Andriamanitra azy ireo.
# Inona no torohevitra nomen'i Paoly ireo voafora sy tsy voafora?
Paoly nilaza fa ireo tsy voafora dia tsy tokony hifora ary ireo voafora dia tsy tokony hanala ny mariky ny famorana azy ireo.

4
1co/07/20.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no nolazain'i Paoly momba ireo andevo?
Raha andevo izy ireo fony Andriamanitra niantso azy ireo, dia aza miahiahy ny momba izany, fa raha afaka izy ireo, dia tokony hanararaotra izany. Na dia andevo aza izy ireo, dia olona afaky ny Tompo. Tsy ho lasa andevon'ny olona.

4
1co/07/25.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana i Paoly no mieritreritra fa tsara ho an'ny lehilahy izay tsy mbola nanambady ny mijanona tsy manambady tahaka an'i Paoly?
Nihevitra izany i Paoly nohon'ny loza izay ho tonga ka tsara ho an'ny lehilahy ny mijanona tsy manambady.

8
1co/07/27.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no tokony ataon'ireo mpino raha voafatotry ny voady tamin'ny mariazy amin'ny vadiny izy?
Tsy tokony hitady fahafahana avy amin'ny voadin'izy ireo hanambady ny vadiny izy ireo.
# Nahoana i Paoly no miteny an'ireo izay afaka amin'ny vadiny, sy an'ireo izay tsy manambady hoe: "Aza mitady vady."
Nilaza izany izy satria te-hanala azy ireo amin'ny karazana olana maro mandritra ny fiainana izay hisy amin'ireo hanambady.

4
1co/07/29.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana ireo izay mifampiraharaha amin'izao tontolo izao no tokony hanao tahaka ny tsy manana raharaha amin'izany?
Tokony hanao tahaka izany izy ireo satria ny rafitr'izao tontolo izao dia efa ho tonga amin'ny fiafarana.

4
1co/07/32.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana no sarotra ho an'ireo Kristiana izay manambady ny misaraka amin'ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny Tompo?
Sarotra izany satria ny lehilahy na vehivavy mpino dia voakasiky ny zavatry ny tany, ny fomba hampifaliana ny vadiny.

4
1co/07/36.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Iza no manao tsara kokoa noho ilay iray izay manambady ny fofom-badiny?
Ilay iray izay misafidy ny tsy hanambady no manao ny tsara kokoa.

8
1co/07/39.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Hafiriana ny vehivavy no voafatotry amin'ny vadiny?
Voafatotry amin'ny vadiny foana ny vehivavy raha mbola velona izy.
# Raha maty ny vadin'ny vehivavy mpino iray, dia iza no mety ho vadiany?
Afaka manambady izay tiany izy, fa izay ao amin'ny Tompo irery ihany anefa.

8
1co/08/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no foto-kevitra resahin'i Paoly amin'ity toko ity?
Paoly miresaka momba ny sakafo atao sorona ho an'ny sampy.
# Inona no vokatra azo avy amin'ny fahalalana sy ny fitiavana?
Ny fahalalana dia mampirehareha, fa ny fitiavana kosa dia manangana.

12
1co/08/04.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,12 @@
# Mitovy amin'Andriamanitra ve ny sampy?
Tsia. Ny sampy eto amin'izao tontolo izao dia tsinontsinona, ary tsy misy afa-tsy Andriamanitra iray ihany.
# Iza ilay Andriamanitra iray?
Andriamanitra ilay Ray ihany no misy. Avy Aminy ny zava-drehetra, ary mivelona ho Azy isika.
# Iza ilay Tompo iray?
Tompo Jesosy Kristy iray ihany no misy, izay amin'ny alalany no mampisy ny zava-drehetra, ary amin'ny alalany no hisiantsika.

4
1co/08/07.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no miseho rehefa mihinana sakafo toy ny hoe natao sorona ho an'ny sampy ireo izay manompo sampy?
Simba ny feon'ny fieritreretan'izy ireo satria malemy izany.

8
1co/08/08.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Mahatonga antsika ho tsara sa ratsy amin'Andriamanitra ny sakafo hohanintsika?
Tsy hanolotra antsika eo amin'Andriamanitra ny sakafo. Tsy ratsy isika raha tsy mihinana, na hoe tsara raha mihinana izany.
# Inona no tokony ho tandremantsika mba tsy ho lasa inona ny fahafahantsika?
Tokony hitandrina isika mba tsy ho ny fahafahantsika no antony hahatafintohana olona iray izay osa ara-pinoana.

12
1co/08/11.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,12 @@
# Inona no mety hiseho amin'ny rahalahy na rahavavy izay osa ara-pieritreretana raha tsy miraraha ny fampiasan'izy ireo ny fahafahan'ireo izay tsy mahatakatra ny marina momba ireo sampy izy ireo?
Ny rahalahy na rahavavy izay osa ara-pieritreratana dia mety ho very.
# Amin'iza isika no manota raha manafintohina ny rahalahy sy rahavavy ao amin'i Kristy nohon'ny feon'ny fieritreretina malemin'izy ireo?
Manota manohitra ny rahalahy sy rahavavintsika isika raha manafintohina ary manota manohitra an'i Kristy ihany koa isika.
# Inona no nolazain'i Paoly hoe ho ataony raha manafintohina ny rahalahiny sy ny rahavaviny izy ny sakafo?
Paoly nilaza fa raha misy manafintohina ny rahalahiny sy rahavaviny ny sakafo, dia tsy hisakafo intsony izy.

4
1co/09/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no porofo natolotr'i Paoly fa Apostoly izy?
Paoly nilaza fa satria ireo mpino Korintiana dia mpiasany ao amin'ny Tompo, noho izany izy ireo dia porofon'ny maha-apostoly an'i Paoly ao amin'ny Tompo.

4
1co/09/03.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no notanisain'i Paoly ho zon'ireo apostoly, ireo rahalahy ao amin'ny Tompo, ary Kefasy?
Paoly nilaza fa izy ireo dia manana zo hihinana sy hisotro, ary manan-jo hitondra vady mpino miaraka amin'izy ireo.

4
1co/09/07.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no ohatra nomen'i Paoly ireo izay nandray tombontsoa na vola tamin'ny asan'izy ireo?
Voatonon'i Paoly ireo miaramila, ilay iray izay namboly voaloboka, ary ilay iray izay miandry ondry mba ho ohatra ho an'ireo izay mandray tombontsoa na vola amin'ny asan'izy ireo.

4
1co/09/09.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Ohatra avy ao amin'ny lalàn'i Mosesy inona no nomen'i Paoly mba hanohanana ny hevitry ny fandraisana tombontsoa na vola amin'ny asa?
Paoly namerina niteny ny didy hoe: "Aza asiana fehi-vava ny omby rehefa miely voa" mba hanohanana ny heviny.

8
1co/09/12.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Nahoana i Paoly sy ireo miaraka aminy no tsy nanambara ny zon'izy ireo amin'ny fampitaovana avy amin'ireo Korintiana?
Paoly sy ireo miaraka aminy dia tsy nanambara izany zo izany mba tsy hisy sakana amin'ny filazantsaran'i Kristy.
# Inona no nandidian'ny Tompo mikasika ireo izay mitory ny filazantsara?
Ny Tompo nandidy fa ireo izay mitory ny filazantsara dia tokony hahazo ny fiveloman'izy ireo avy amin'ny filazantsara.

4
1co/09/15.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no nolazain'i Paoly fa tsy tokony hireharehany, ary nahoana izy no tsy afaka mirehareha momba izany?
Paoly nilaza fa tsy tokony hirehareha momba ny filazan-tsara izy satria tsy maintsy mitory ny filazantsara izy.

8
1co/09/19.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Nahoana i Paoly no lasa mpanompo ho an'ny rehetra?
Lasa mpanompo ho an'ny rehetra i Paoly mba ho mety hahafahany mahazo olona maro ho an'Andriamanitra.
# Lasa inona i Paoly mba hahazo an'i Jesosy?
Lasa tahaka ny Jiosy i Paoly mba hahazo an'i Jesosy.

8
1co/09/21.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Lasa tahaka an'iza i Paoly mba hahazo ireo izay any ivelan'ny lalàna?
Paoly dia lasa tahaka ireo izay ivelan'ny lalàna mba hahazo ireo izay ivelan'ny lalàna.
# Nahoana i Paoly no manao ny zavatra rehetra noho ny amin'ny filazantsara?
Manao izany izy mba ho fandraisany anjara amin'ny fitahian'ny filazantsara.

12
1co/09/24.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,12 @@
# Inona no asain'i Paoly hiazakazahana?
Ny fahazoana loka no asain'i Paoly hiazakazahana.
# Karazana fehiloha inona no nihazakazahan'i Paoly mba ho azo?
Nihazakazaka i Paoly mba hahazo ny fehiloha izay tsy mety simba.
# Nahoana i Paoly no nanambany ny tenany ary nanao izany ho andevo?
Nanao izany i Paoly mba ho rehefa avy mitory ny filazantsara tamin'ny hafa izy, dia tsy ho lavina ny tenany.

8
1co/10/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no zava-nisy mitovy niainan'ny rain'izy ireo tamin'ny fotoan'i Mosesy?
Ny rehetra dia samy teo ambanin'ny rahona ary namakivaky ny ranomasina. Samy natao batisa tamin'i Mosesy tao anaty rahona sy ny ranomasina, ary ny rehefa dia samy nihinana ny sakafo ara-panahy, ary nisotro izay zava-pisotro ara-panahy.
# Iza ilay vatolampim-panahy izay nanaraka ny rain'izy ireo?
Kristy no ilay vatolampim-panahy izay nanaraka azy ireo.

4
1co/10/05.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana Andriamanitra no tsy nankasitraka tsara ny rain'izy ireo tamin'ny fotoan'i Mosesy?
Tsy nankasitraka Izy satria ny rain'izy ireo dia naniry zava-dratsy.

4
1co/10/09.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Tamin'ny alalan'ny inona ireo olona tsy mankato no nopotehan'Andriamanitra ?
Andriamanitra namotika azy ireo tamin'ny alalan'ny bibilava, sy tamin'ny alalan'ny anjelin'ny fahafatesana.

12
1co/10/11.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,12 @@
# Nahoana no nitranga ireo zavatra ireo ary nahoana no nosoratana izy ireny?
Niseho ireny mba ho ohatra ho antsika ary nosoratana ho fampianarana antsika.
# Efa nisy fakam-panahy miavaka nanjo antsika ve?
Tsy misy fakam-panahy miavaka izay tsy hiraisan'ny olombelona rehetra nanjo antsika.
# Inona no nataon'Andriamanitra mba hahatonga antsika miaritra amin'ny fakam-panahy?
Nanoro ny lalana hitsoahana Izy mba ho afaka hiaritra ny fakam-panahy isika.

8
1co/10/14.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Tamin'ny alalan'ny inona i Paoly no nampitandrina ireo mpino Korintiana mba handositra?
Nampitandrina azy ireo mba handositra ny fanompoan-tsampy izy.
# Inona ilay kapoakan'ny fisaorana izay hisaoran'ny mpino ary inona ilay mofo izay vakian'izy ireo?
Ilay kapoaka dia fifampizarana amin'ny ràn'i Kristy. Ny mofo dia fifampizarana amin'ny vatan'i Kristy.

12
1co/10/20.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,12 @@
# Iza no hanoloran'ireo jentilisa mpanompo sampy ny soron'izy ireo?
Manolotra ireo zavatra ireo amin'ny demonia izy ireo fa tsy amin'Andriamanitra.
# Satria tsy tian'i Paoly ho mpandray anjara miaraka amin'ireo demonia ireo Korintiana mpino, ka inona no nolazainy hoe tsy afaka ataon'izy ireo?
Paoly niteny azy ireo hoe tsy afaka misotro ny kapoakan'ny Tompo sy ny kapoakan'ny demonia ary tsy afaka manana fiombonana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia izy ireo.
# Mety hampaninona ny Tompo isika raha amin'ny maha-mpinon'ny Tompo antsika dia mandray anjara miaraka amin'ireo demonia ihany koa isika?
Mety haha-saropiaro ny Tompo isika.

4
1co/10/23.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Tokony hitady izay mahasoa antsika manokana ve isika?
Tsia. Fa kosa, ny tsirairay dia tokony mitady izay mahasoa ny namany.

4
1co/10/25.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Raha misy tsy mpino iray manasa anareo hisakafo, ka te-handeha ianareo, dia inona no tokony ho ataonareo?
Tokony mihinana ny zava-drehetra voaomana eo anoloanareo ianareo ary tsy manontany ny eritreritra.

4
1co/10/28.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Raha milaza aminareo ny vahiny tsy mpino hoe avy amin'ny soron'ny sampy ny sakafo izay aroso ho anareo nahoana ianareo no tsy tokony hihinana izany ?
Tsy tokony hihinana izany noho ny amin'ilay olona mampahafantatra anareo ianareo ary noho ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny hafa.

8
1co/10/31.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no tokony ho ataontsika amin'ny voninahitr'Andriamanitra?
Tokony hanao ny zava-drehetra isika, ao anatin'izany ny fihinanana sy fisotroana, ho voninahitr'Andriamanitra.
# Nahoana isika no tsy tokony hanome fanafintohinana ny Jiosy na Grika na ny fiangonan'Andriamanitra?
Tsy tokony hanome fanafintohinana azy ireo isika mba hahavoavonjy azy ireo.

28
1co/11/01.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,28 @@
# Iza no nasain'i Paoly nalain'ireo mpino Korintiana tahaka?
Izy tenany no nasain'i Paoly nalain'izy ireo tahaka.
# Iza no nalain'i Paoly tahaka?
Paoly dia mpaka tahaka an'i Kristy.
# Inona no nideran'i Paoly ireo mpino Korintiana?
Paoly dia nidera azy ireo tamin'ny fahatsiarovan'izy ireo azy tamin'ny zavatra rehetra sy tamin'ny fitazomana mafy ny fombafomba tahaka ny nanolorany azy ireo tamin'ireo Korintiana.
# Iza no lohan'i Kristy?
Andriamanitra no lohan'i Kristy.
# Iza no lohan'ny lehilahy?
Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra.
# Iza no lohan'ny vehivavy rehetra?
Ny lehilahy no lohan'ny vehivavy.
# Inona no miseho rehefa sady misaron-doha ny lehilahy no mivavaka?
Manala voninahitra ny lohany izy raha mivavaka sady misaron-doha.

4
1co/11/05.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no miseho raha tsy misaron-doha ny vehivavy nefa mivavaka?
Ny vehivavy rehetra izay mivavaka nefa tsy misaron-doha dia manala voninahitra ny lohany.

4
1co/11/07.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana ny lehilahy no tsy tokony hisaron-doha?
Tsy tokony hisaron-doha izy satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra.

8
1co/11/09.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Ho an'iza no namoronana ny vehivavy?
Ho an'ny lehilahy no namoronana ny vehivavy.
# Inona no fomban'i Paoly, ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo fiangonan'Andriamanitra mikasika ny fivavahan'ny vehivavy?
Fomban'izy ireo ny hoe misaron-doha ny vehivavy rehefa mivavaka.

4
1co/11/11.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana no mifampiankina ny lahy sy ny vavy?
Ny vehivavy dia avy amin'ny lehilahy, ary ny lehilahy dia avy amin'ny vehivavy.

4
1co/11/13.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no fomban'i Paoly, ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo fiangonan'Andriamanitra mikasika ny fivavahan'ny vehivavy?
Fomban'izy ireo ny hoe misaron-doha ny vehivavy rehefa mivavaka.

4
1co/11/17.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Nahoana no tsy maintsy misy fitsitokotokoana eo amin'ireo Korintiana Kristiana?
Tsy maintsy misy fitsitokotokoana eo amin'izy ireo, mba ho ekena amin'izy ireo ireo izay nankasitrahana.

4
1co/11/20.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Inona no niseho rehefa tonga mba hiara-hihinana ny fiangonana Korintiana?
Rehefa nihinana tsirairay ny sakafony manokana talohan'ny nahazoan'ireo hafa ny sakafony izy ireo. Dia ny sasany noana ary ny hafa nangetaheta.

4
1co/11/23.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,4 @@
# Tamin'ny alina namadihana an'i Jesosy, inona no nolazain'ny Tompo taorian'ny namakiany ny mofo?
Hoy Izy: "Inty ny vatako, izay ho anareo; ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy."

8
1co/11/25.md Normal file
View File

@ -0,0 +1,8 @@
# Inona no nolazain'ny Tompo rehefa nandray ny kapoaka taorian'ny sakafo hariva Izy?
Hoy Izy: "Inty no kapoakan'ny fanekem-pihavanana vaovao amin'ny ràko. Ataovy iza na oviana na oviana ianareo misotro, mba ho fahatsiarovana Ahy."
# Inona no ataonareo isaky ny mihinana ny mofo sy misotro ity kapoaka ity ianareo?
Ianareo dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny indray.

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More