plt_tn/mat/05/05.md

24 lines
822 B
Markdown

# malemy fanahy
"Ireo tsara fanahy" na "ireo izay tsy miankina amin'ny heriny manokana"
# izy ireo no handova ny tany
"homen'Andriamanitra azy ireo ny tany manontolo"
# noana sy mangetaheta ny fahamarinana
Io sarin-teny io dia midika fa tokony haniry ny hanao ny tsara ny olona iray. DH: "maniry ny hiaina marina toy ny faniriany hanina sy zava-pisotro"
# ho vokisana izy ireo
Azo atao hoe DH: "ho vokisan'Andriamanita izy ireo" na "hataon'Andriamanitra afa-po izy ireo"
# madio am-po
"olona izay madio ny fony." Eto ny hoe "fo" dia ilazana ny fanirian'ny olona iray. DH: "ireo izay te hanompo an'Andriamanitra ihany"
# hahita an'Andriamanitra izy ireo
Eto ny hoe "hahita" dia midika fa ho afaka ny ho velona eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy ireo. DH: "Andriamanitra hamela azy ireo hiara-belona Aminy"