plt_tn/mat/02/17.md

32 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Manambara ny tenin'i Jeremia mpaminany ny mpanoratra mba hampisehoana fa araka ny Soratra masina ny fahafatesan'ireo zaza lahy rehetra tao amin'ny faritr'i Betlehema.
# Avy eo dia tanteraka
Azo atao hoe: "Izany no nanatanteraka" na "Ireo nataon'i Heroda dia nahatanteraka"
# izay nolazaina tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany
Azo atao hoe: "izay nolazain'ny Tompo hatry ny ela tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany"
# Nisy feo re ... lasana ireo
Manambara ny tenin'i Jeremia i Matio.
# Nisy feo re
Azo atao hoe: "Nandre feo ireo olona" na hoe "Nisy feo mafy"
# mitomany nohon'ny amin'ny zanany i Rahely
Taona maro talohan'io fotoana io no velona i Rahely. Io faminaniana io dia mapiseho an'i Rahely, izay maty, nitomany ho an'ireo taranany.
# tsy nanaiky ny ho ampanginina izy
Azo atao hoe: "tsy nisy afaka nampangina azy"
# satria lasana ireo
"satria efa lasa ireo ankizy ary tsy hiverina intsony." Eto ny hoe "lasana" dia fanalefahan-teny hilazana fa maty izy ireo. DH : "satria maty izy ireo"