plt_tn/jdg/02/18.md

1.3 KiB

Rehefa nanandratra mpitsara ho azy ireo Yaveh

Ny fanendren'i Yaveh olona ho mpitsara dia resahina toy ny hoe nanandratra na nanangana olona Yaveh

mpitsara ho azy ireo ... namonjy azy ireo

Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Isrelita.

tanan'ireo fahavalon'izy ireo

"tanana" eto dia entina ilazana ny herin'ireo fahavalo hamely an'i Israely. DH: "ny herin'ireo fahavalony"

tamin'ny andro rehetra niainanan'ireo mpitsara

"raha mbola velona koa ireo mpitsara"

nangoraka

Manana fihantrana amin'ny olona na zavatra iray.

raha nisento

Feo avoakan'olona iray mijaly, hamaritana ny fahorian'ireo Israelita fa mijaly izy ireo. DH: "mijaly izy ireo"

niala

Ny tsy fankatoavan'ny vahoaka an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nampivily ny tenany amin'i Yaveh.

ireo razany

"ireo razambeny"

Nanaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo sy hidera azy izy ireo

Ny fanompoan'ireo Israelita andriamani-kafa dia resahina toy ny hoe nandeha sy nanaraka andriamani-kafa izy ireo. DH: "Nanompo sy nidera andriamani-kafa izy ireo"

Nandà ny hiala tamin'ireo fanaony ratsy rehetra na tamin'ireo lalan'ny ditrany izy ireo

"Nandà ny hanatsahatra ireo zava-dratsiny sy ny ditrany izy ireo." Azo adika ihany koa hoe. DH: "Nanohy ny fanaovan-dratsiny sy ny ditrany izy ireo"