plt_tn/jdg/02/11.md

941 B

izay ratsy teo imason'i Yaveh

"teo imason'i Yaveh" eto dia midika izay fiheveran'Yaveh sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. DH: "izay lazain'i Yaveh fa ratsy ny manao izany"

Bala

"Bala" amin'ny ankapobeny dia anarana andriamanitra tsy izy, ampiasaina ihany koa io teny io amin'ireo andriamanitra maro samihafa izay tompoina matetika miaraka amin'ny Bala.

Nisaraka tamin'i Yaveh izy ireo

Ireo Israelita izay tsy nankatò an'i Yaveh intsony dia nihevitra fa nisaraka ara-batana taminy ary nandao Azy.

razana

"razambe"

Nanaraka ireo andriamani-kafa izy ireo

Ny fanompoan'ireo Israelita andriamanitra tsy izy dia resahina toy ny hoe nandeha ary nanaraka andriamanitra tsy izy ireo Israelita.

niankohoka tamin'ireo

Fihetsika anompoana sy anomezam-boninahitra olona izany.

nanetsika ny fahatezeran'i Yaveh

"Nahatezitra an'i Yaveh"

Astarta

Astarta dia notompoina ho andriamani-bavy tamin'ny fomba maro samihafa.