plt_tn/tit/02/11.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia nampahery an'i Titosy mba hikatsaka ny fahatongavan'i Jesosy ary hahatsiaro ny fahefany amin'ny alalan'i Jesosy

Niseho ny fahasoavan'Andriamanitra ... mampianatra antsika

Paoly dia miresaka ny fahasoavan'Andriamanitra toy ny hoe olona iray mankany amin'ny olon-kafa ary mampianatra azy ireo mba hiaina fiainana masina.

Mampianatra antsika handà ny toetra tsy araka an'Andriamanitra

"Mampianatra antsika mba tsy hanala-baraka an'Andriamanitra."

Filàn'izao tontolo izao

"Faniriana mafy ireo zavatr'izao tontolo izao" na "faniriana mafy ho an'ny fahafinaretana amin'ny fahotana."

Amin'izao fotoana izao

"Raha mbola miaina eto amin'izao tontolo izao isika" na "nandritra izany fotoana izany."

Eo am-piandrasantsika fatratra izay handraisantsika ny

"Isika dia miandry ny handray."

Fanantenana mahafinaritra

Andriamanitra no tian'i Paoly lazaina amin'izany, izay inoantsika fa ho avy amintsika izy.

Ny fisehoan'ny voninahitry ny Andriamanintsika lehibe

Paoly dia miresaka ny voninahitr'Andriamanitra mba hilazana fa Andriamanitra tenany dia hiseho.