plt_tn/tit/01/10.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Noho ireo izay manohitra ny tenin'Andriamanitra, Paoly dia nanome antony an'i Titosy ny mba hitoriana ny tenin'Andriamanitra ary nampitandrina azy ny amin'ireo mpampianatra sandoka.

Olona mikomy

Ireo no olona mpikomy izay manohitra ny hafatry ny filazantsaran'i Paoly.

Ireo izay voafora

Izany dia manondro ny Kristiana Jiosy izay mampianatra fa tsy maintsy voafora vao manara-dia an'i Kristy

Tsy misy lanjany ny tenin'izy ireo

"Ny tenin'izy ireo dia tsy mahasoa na iza na iza."

Ilaina ny manakana azy ireny

"Izy ireo dia tsy maintsy sakanana amin'ny fampielezana ny fampianaran'izy ireo" na "izy ireo dia tsy maintsy hajanona amin'ny fitaomana ny hafa amin'ny alalan'ireo teniny."

Ny tsy tokony hampianarina izy ireo

Zavatra izay tsy mety amin'ny fampianarana momba an'i Kristy sy ny Lalàna

Mba ahazoana harena maloto

Izany dia manondro fotsiny ny tombony azon'ny olona amin'ny fanaovana ireo zavatra tsy mendri-kaja.

Mandrava ny fianakaviana manontolo

"Mandrava ny finoan'ny fianakaviana manontolo."