# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Noho ireo izay manohitra ny tenin'Andriamanitra, Paoly dia nanome antony an'i Titosy ny mba hitoriana ny tenin'Andriamanitra ary nampitandrina azy ny amin'ireo mpampianatra sandoka. # Olona mikomy Ireo no olona mpikomy izay manohitra ny hafatry ny filazantsaran'i Paoly. # Ireo izay voafora Izany dia manondro ny Kristiana Jiosy izay mampianatra fa tsy maintsy voafora vao manara-dia an'i Kristy # Tsy misy lanjany ny tenin'izy ireo "Ny tenin'izy ireo dia tsy mahasoa na iza na iza." # Ilaina ny manakana azy ireny "Izy ireo dia tsy maintsy sakanana amin'ny fampielezana ny fampianaran'izy ireo" na "izy ireo dia tsy maintsy hajanona amin'ny fitaomana ny hafa amin'ny alalan'ireo teniny." # Ny tsy tokony hampianarina izy ireo Zavatra izay tsy mety amin'ny fampianarana momba an'i Kristy sy ny Lalàna # Mba ahazoana harena maloto Izany dia manondro fotsiny ny tombony azon'ny olona amin'ny fanaovana ireo zavatra tsy mendri-kaja. # Mandrava ny fianakaviana manontolo "Mandrava ny finoan'ny fianakaviana manontolo."