plt_tn/tit/01/10.md

32 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Noho ireo izay manohitra ny tenin'Andriamanitra, Paoly dia nanome antony an'i Titosy ny mba hitoriana ny tenin'Andriamanitra ary nampitandrina azy ny amin'ireo mpampianatra sandoka.
# Olona mikomy
Ireo no olona mpikomy izay manohitra ny hafatry ny filazantsaran'i Paoly.
# Ireo izay voafora
Izany dia manondro ny Kristiana Jiosy izay mampianatra fa tsy maintsy voafora vao manara-dia an'i Kristy
# Tsy misy lanjany ny tenin'izy ireo
"Ny tenin'izy ireo dia tsy mahasoa na iza na iza."
# Ilaina ny manakana azy ireny
"Izy ireo dia tsy maintsy sakanana amin'ny fampielezana ny fampianaran'izy ireo" na "izy ireo dia tsy maintsy hajanona amin'ny fitaomana ny hafa amin'ny alalan'ireo teniny."
# Ny tsy tokony hampianarina izy ireo
Zavatra izay tsy mety amin'ny fampianarana momba an'i Kristy sy ny Lalàna
# Mba ahazoana harena maloto
Izany dia manondro fotsiny ny tombony azon'ny olona amin'ny fanaovana ireo zavatra tsy mendri-kaja.
# Mandrava ny fianakaviana manontolo
"Mandrava ny finoan'ny fianakaviana manontolo."