plt_tn/tit/01/06.md

954 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Tamin'ny fangatahana an'i Titosy mba hibaiko ireo loholona isaky ny tanàna manerana ny nosy Kreta, Paoly dia nanome fepetra ireo loholona.

Ny loholona dia tsy tokony hanan-tsiny mihintsy

Ny hoe "tsy misy tsiny" dia fantatra amin'ny hoe olona tsy manao zavatra ratsy. DH: "Ny loholona dia tsy tokony hanana laza ratsy."

Vadin'ny vehivavy iray

Mba ho vady mahatoky. Mety ho dikany dia izao: 1) tsy mitady fifandraisana amin'ny vehivavy hafa na 2) tsy manana vady faharoa na vadikely.

Zanaka mino

Mety ho dikany dia izao: 1) zanaka izay mino an'i Jesosy na 2) zanaka mendri-pitokisana.

Maditra

"Mpikomy" na "izay tsy manara-dalàna."

Mpanao ny asan'Andriamanitra

Paoly dia miresaka ny loholona toy ny hoe loham-pianakaviana, tompon'andraikitra amin'ny ny ao an-trano.

Tsy mpimamo

"Tsy mpisotro toaka" na "tsy mpisotro divay."

Tsy lian'ady

"Tsy olona mahery setra" na "tsy olona tia miady."