plt_tn/rom/13/08.md

967 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Miteny amin'ireo mpino i Paoly ny amin'ny fomba fihetsika manoloana ireo mpiara-belona.

Aza manana trosa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavana ihany

Afaka adika hoe DH: "Aloavy ny trosanao rehetra amin'ny olona, ary mifankatiava"

trosa

Izany dia mihatra amin'ireo Kristiana Romana rehetra.

afa-tsy ny fifankatiavana ihany

Izany no hany trosa azo tazonina araka izay naseho teo amin'ny fanamariahana teo ambony.

fitiavana

Izany dia ilazana ireo kazam-pitiavana izay avy amin'Andriamanitra ary mifantoka eo amin'ny fanaovana ny tsara ho an'ny hafa, na dia tsy misy tombony ho an'ny olona iray aza.

aza mitsiriritra

Faniriana ny hanana na hahazo zavatra izay hananan'ny olon-kafa.

Ny fitiavana dia tsy mandratra ny manodidina

Io fehezanteny io dia manohatra ny fitiavana amin'ny olona izay tsara fanahy amin'ny olon-kafa. DH: "Ny olona izay tia ny mpiara-belona aminy dia tsy mandratra azy ireo"