# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Miteny amin'ireo mpino i Paoly ny amin'ny fomba fihetsika manoloana ireo mpiara-belona. # Aza manana trosa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavana ihany Afaka adika hoe DH: "Aloavy ny trosanao rehetra amin'ny olona, ary mifankatiava" # trosa Izany dia mihatra amin'ireo Kristiana Romana rehetra. # afa-tsy ny fifankatiavana ihany Izany no hany trosa azo tazonina araka izay naseho teo amin'ny fanamariahana teo ambony. # fitiavana Izany dia ilazana ireo kazam-pitiavana izay avy amin'Andriamanitra ary mifantoka eo amin'ny fanaovana ny tsara ho an'ny hafa, na dia tsy misy tombony ho an'ny olona iray aza. # aza mitsiriritra Faniriana ny hanana na hahazo zavatra izay hananan'ny olon-kafa. # Ny fitiavana dia tsy mandratra ny manodidina Io fehezanteny io dia manohatra ny fitiavana amin'ny olona izay tsara fanahy amin'ny olon-kafa. DH: "Ny olona izay tia ny mpiara-belona aminy dia tsy mandratra azy ireo"