plt_tn/rom/11/09.md

748 B

Aoka ny latabany ho harato sy fandrika

Ny "Latabatra" dia teny entina anehoana fanasana, ary ny "harato" sy "fandrika" dia sarin-teny maneho sazy. Afaka adika hoe DH: "Miangavy re, Andriamanitra, ataovy ho fandrika hahavoa azy ireo ny fanasan'izy ireo"

vato mamingana

Resahin'i Paoly ho toy ny lavo amin'ny tany ny olona manota. Ny "vato mamingana" dia izay zavatra mahatonga ny olona ho tafintohina ka lavo amin'ny tany. DH: "zavatra izay mahatonga ny olona iray hanota"

sy valifaty ho azy ireo.

"zavatra izay mamela anareo hamaly faty azy ireo"

ary aoka hiankohoka mandrakariva izy ireo

Mangataka amin'Andriamanitra i Davida mba hahatonga ireo fahavalony ho andevo izay mitondra enta-mavesatra ao an-damosin'izy ireo mandrakariva.