plt_tn/rom/09/01.md

991 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Milaza ny faniriany manokana ny hamonjena ny firenen'Israely rehetra i Paoly. Ary izy dia manindry ny amin'ireo fomba hafa izay nomanin'Andriamanitra mba hinoan'izy ireo.

Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho. Tsy mandainga aho

Ireo fomba fiteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ampisain'i Paoly mba hanindriana fa milaza ny marina izy.

ary ny eritreritro no mijoro vavolombelona miaraka amiko ao amin'ny Fanahy Masina

"Ny Fanahy Masina no mibaiko ny eritreritro ary manamafy izay lazaiko"

fa ho ahy dia misy alahelo lehibe ato amiko ary fahoriana mandrakariva ato am-poko

Eto ny teny hoe "fahoriana mandrakariva ato am-poko" dia fomba fiteny izay ampiasain'i Paoly mba hizarana ny fahoriam-panahiny. DH: "Milaza aminareo aho fa malaelo mafy tanteraka sy lalina aho"

alahelo lehibe ato amiko ary fahoriana mandrakariva

Ireo teny roa ireo dia mitovy dika. Miara-ampiasain'i Paoly ireo mba hanamafisana ny halehiben'ny fihetseham-pony.