# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Milaza ny faniriany manokana ny hamonjena ny firenen'Israely rehetra i Paoly. Ary izy dia manindry ny amin'ireo fomba hafa izay nomanin'Andriamanitra mba hinoan'izy ireo. # Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho. Tsy mandainga aho Ireo fomba fiteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ampisain'i Paoly mba hanindriana fa milaza ny marina izy. # ary ny eritreritro no mijoro vavolombelona miaraka amiko ao amin'ny Fanahy Masina "Ny Fanahy Masina no mibaiko ny eritreritro ary manamafy izay lazaiko" # fa ho ahy dia misy alahelo lehibe ato amiko ary fahoriana mandrakariva ato am-poko Eto ny teny hoe "fahoriana mandrakariva ato am-poko" dia fomba fiteny izay ampiasain'i Paoly mba hizarana ny fahoriam-panahiny. DH: "Milaza aminareo aho fa malaelo mafy tanteraka sy lalina aho" # alahelo lehibe ato amiko ary fahoriana mandrakariva Ireo teny roa ireo dia mitovy dika. Miara-ampiasain'i Paoly ireo mba hanamafisana ny halehiben'ny fihetseham-pony.