plt_tn/rom/04/16.md

36 lines
1.6 KiB
Markdown

# Noho izany antony izany dia mitranga amin'ny finoana izany, mba hipetrahan'ny fampanantenana amin'ny fahasoavana
Eto ny teny hoe "fahasoavana" dia maneho ny fanomezana maimaimpoan'Andriamanitra. DH: "Izao no antony andraisantsika fampanantenana rehefa matoky an'Andriamanitra isika: mba ho fanomezana maimaimpoana izany"
# toy ny vokatra, ny fampanantenana dia azo antoka ho an'ny taranaka rehetra
"mba tena hahazoan'ny taranak'i Abrahama rehetra ny fampanantenana"
# ireo izay mahalala ny lalàna
Io dia maneho ireo olona Jiosy izay manaraka ny lalàn'i Mosesy.
# ireo izay avy amin'ny finoan'i Abrahama
Io dia maneho ireo izay manana finoana tahaka an'i Abrahama talohan'ny namorana azy.
# Raintsika rehetra
Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ntsika" dia manondro an'i Paoly ary ao anatin'izany koa ireo Jiosy rehetra sy ireo tsy Jiosy mpino an'Kristy. Abrahama dia razambe ara-nofon'ireo olona Jiosy, fa izy koa dia ray aram-panahy ho an'ireo izay manana finoana.
# araka ny voasoratra
Afaka azavaina kokoa hoe aiza izany no voasoratra. Afaka adika hoe DH: "araka izay voasoratry ny olona iray ao amin'ny Soratra Masina"
# Nataoko ho ... ianao
Eto ny teny "ianao" dia manondro an'i Abrahama.
# Teo amin'ny fanatrehan'Ilay nitokiany i Abrahama, dia, Andriamanitra izany, izay nanome fiainana ireo maty
Eto ny teny hoe "Ilay nitokiany" dia maneho an'Andriamanitra. DH: "Abrahama dia teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izay nitokiany, izay manome fiainana an'ireo izay maty"
# miantso ireo zavatra tsy mbola misy mba hisy.
Namorina ny zava-drehetra avy amin'ny tsy misy