# Noho izany antony izany dia mitranga amin'ny finoana izany, mba hipetrahan'ny fampanantenana amin'ny fahasoavana Eto ny teny hoe "fahasoavana" dia maneho ny fanomezana maimaimpoan'Andriamanitra. DH: "Izao no antony andraisantsika fampanantenana rehefa matoky an'Andriamanitra isika: mba ho fanomezana maimaimpoana izany" # toy ny vokatra, ny fampanantenana dia azo antoka ho an'ny taranaka rehetra "mba tena hahazoan'ny taranak'i Abrahama rehetra ny fampanantenana" # ireo izay mahalala ny lalàna Io dia maneho ireo olona Jiosy izay manaraka ny lalàn'i Mosesy. # ireo izay avy amin'ny finoan'i Abrahama Io dia maneho ireo izay manana finoana tahaka an'i Abrahama talohan'ny namorana azy. # Raintsika rehetra Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ntsika" dia manondro an'i Paoly ary ao anatin'izany koa ireo Jiosy rehetra sy ireo tsy Jiosy mpino an'Kristy. Abrahama dia razambe ara-nofon'ireo olona Jiosy, fa izy koa dia ray aram-panahy ho an'ireo izay manana finoana. # araka ny voasoratra Afaka azavaina kokoa hoe aiza izany no voasoratra. Afaka adika hoe DH: "araka izay voasoratry ny olona iray ao amin'ny Soratra Masina" # Nataoko ho ... ianao Eto ny teny "ianao" dia manondro an'i Abrahama. # Teo amin'ny fanatrehan'Ilay nitokiany i Abrahama, dia, Andriamanitra izany, izay nanome fiainana ireo maty Eto ny teny hoe "Ilay nitokiany" dia maneho an'Andriamanitra. DH: "Abrahama dia teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izay nitokiany, izay manome fiainana an'ireo izay maty" # miantso ireo zavatra tsy mbola misy mba hisy. Namorina ny zava-drehetra avy amin'ny tsy misy