plt_tn/rom/04/16.md

1.6 KiB

Noho izany antony izany dia mitranga amin'ny finoana izany, mba hipetrahan'ny fampanantenana amin'ny fahasoavana

Eto ny teny hoe "fahasoavana" dia maneho ny fanomezana maimaimpoan'Andriamanitra. DH: "Izao no antony andraisantsika fampanantenana rehefa matoky an'Andriamanitra isika: mba ho fanomezana maimaimpoana izany"

toy ny vokatra, ny fampanantenana dia azo antoka ho an'ny taranaka rehetra

"mba tena hahazoan'ny taranak'i Abrahama rehetra ny fampanantenana"

ireo izay mahalala ny lalàna

Io dia maneho ireo olona Jiosy izay manaraka ny lalàn'i Mosesy.

ireo izay avy amin'ny finoan'i Abrahama

Io dia maneho ireo izay manana finoana tahaka an'i Abrahama talohan'ny namorana azy.

Raintsika rehetra

Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ntsika" dia manondro an'i Paoly ary ao anatin'izany koa ireo Jiosy rehetra sy ireo tsy Jiosy mpino an'Kristy. Abrahama dia razambe ara-nofon'ireo olona Jiosy, fa izy koa dia ray aram-panahy ho an'ireo izay manana finoana.

araka ny voasoratra

Afaka azavaina kokoa hoe aiza izany no voasoratra. Afaka adika hoe DH: "araka izay voasoratry ny olona iray ao amin'ny Soratra Masina"

Nataoko ho ... ianao

Eto ny teny "ianao" dia manondro an'i Abrahama.

Teo amin'ny fanatrehan'Ilay nitokiany i Abrahama, dia, Andriamanitra izany, izay nanome fiainana ireo maty

Eto ny teny hoe "Ilay nitokiany" dia maneho an'Andriamanitra. DH: "Abrahama dia teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izay nitokiany, izay manome fiainana an'ireo izay maty"

miantso ireo zavatra tsy mbola misy mba hisy.

Namorina ny zava-drehetra avy amin'ny tsy misy