plt_tn/rom/04/13.md

1.2 KiB

fampanantenana tamin'i Abrahama sy ireo taranany fa ho mpandova izao tontolo izao

Afaka adika hoe DH: "fa Andriamanitra dia nampanantena an'i Abrahama sy ireo taranany fa izy ireo dia handova izao tontolo izao"

mpandova

Ireo olona izay nanaovan'Andrimanitra fampanantenana dia resahina toy ny hoe handova fananana sy harena avy amin'ny isan'ny fianakaviana.

fa avy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finoana

Ny teny hoe "Andriamanitra dia nanome fampanantenana" dia nesorina tao amin'io fehezanteny kanefa efa azo ihany. Afaka adikanao amin'ny fampidirana ireo teny ireo io. DH: "Fa kosa, Andriamanitra dia nanome fampanantenana tamin'ny finoana izay noraisiny ho fahamarinana"

fa ireo izay an'ny lalàna dia mpandova

Eto ny teny hoe "an'ny lalàna" dia maneho ireo izay mankatoa ny lalàna. DH: "raha ireo izay mankatoa ny lalàna no handova ny tany"

ho foana ny finoana, ary tsinotsinona ny fampanantenana

"tsy misy lanjany ny finoana ary tsy misy dikany ny fampanantenana"

fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna

Afaka adika hoe DH: "fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fankatoavana" na "satria eo amin'izay misy ny lalàna ihany no misy zavatra izay tsy ankatoavin'ny olona."