plt_tn/rom/04/13.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# fampanantenana tamin'i Abrahama sy ireo taranany fa ho mpandova izao tontolo izao
Afaka adika hoe DH: "fa Andriamanitra dia nampanantena an'i Abrahama sy ireo taranany fa izy ireo dia handova izao tontolo izao"
# mpandova
Ireo olona izay nanaovan'Andrimanitra fampanantenana dia resahina toy ny hoe handova fananana sy harena avy amin'ny isan'ny fianakaviana.
# fa avy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finoana
Ny teny hoe "Andriamanitra dia nanome fampanantenana" dia nesorina tao amin'io fehezanteny kanefa efa azo ihany. Afaka adikanao amin'ny fampidirana ireo teny ireo io. DH: "Fa kosa, Andriamanitra dia nanome fampanantenana tamin'ny finoana izay noraisiny ho fahamarinana"
# fa ireo izay an'ny lalàna dia mpandova
Eto ny teny hoe "an'ny lalàna" dia maneho ireo izay mankatoa ny lalàna. DH: "raha ireo izay mankatoa ny lalàna no handova ny tany"
# ho foana ny finoana, ary tsinotsinona ny fampanantenana
"tsy misy lanjany ny finoana ary tsy misy dikany ny fampanantenana"
# fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna
Afaka adika hoe DH: "fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fankatoavana" na "satria eo amin'izay misy ny lalàna ihany no misy zavatra izay tsy ankatoavin'ny olona."