# fampanantenana tamin'i Abrahama sy ireo taranany fa ho mpandova izao tontolo izao Afaka adika hoe DH: "fa Andriamanitra dia nampanantena an'i Abrahama sy ireo taranany fa izy ireo dia handova izao tontolo izao" # mpandova Ireo olona izay nanaovan'Andrimanitra fampanantenana dia resahina toy ny hoe handova fananana sy harena avy amin'ny isan'ny fianakaviana. # fa avy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finoana Ny teny hoe "Andriamanitra dia nanome fampanantenana" dia nesorina tao amin'io fehezanteny kanefa efa azo ihany. Afaka adikanao amin'ny fampidirana ireo teny ireo io. DH: "Fa kosa, Andriamanitra dia nanome fampanantenana tamin'ny finoana izay noraisiny ho fahamarinana" # fa ireo izay an'ny lalàna dia mpandova Eto ny teny hoe "an'ny lalàna" dia maneho ireo izay mankatoa ny lalàna. DH: "raha ireo izay mankatoa ny lalàna no handova ny tany" # ho foana ny finoana, ary tsinotsinona ny fampanantenana "tsy misy lanjany ny finoana ary tsy misy dikany ny fampanantenana" # fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna Afaka adika hoe DH: "fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fankatoavana" na "satria eo amin'izay misy ny lalàna ihany no misy zavatra izay tsy ankatoavin'ny olona."