plt_tn/rom/04/09.md

24 lines
957 B
Markdown

# Amin'ireo voafora ihany ve no hanononana izany tso-drano izany, sa amin'ireo tsy voafora koa?
Io fanamarihana io dia miendrika fanontanina mba ho fanamafisana. DH: "ireo izay voafora ihany ve no tahian'Andriamanitra, sa ireo izay tsy voafora ihany koa?
# ireo voafora
Manondro ireo vahoaka Jiosy io. DH: "ireo Jiosy"
# ireo tsy voafora
Manondro ireo vahoaka tsy Jiosy io. DH: "ireo Jentilisa"
# Ny finoana dia nisain'i Abrahama ho fahamarinana
Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra dia nandray ny finoan'i Abrahama ho Fahamarinana"
# Koa ahoana ary no nanisana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora, sa tamin'izy tsy mbola voafora?
Mametraka ireo fanontaniana ireo i Paoly mba hanamafisana ny fanamarihany. DH: "Oviana Andriamanitra no nihevitra an'i Abrahama ho marina? Talohan'ny namoràna azy ve? sa taorian'izany?"
# Tsy tamin'izy efa voafora fa tamin'izy mbola tsy voafora
"Niseho talohan'ny namorana azy izany, fa tsy taorian'ny namorana azy"