plt_tn/rom/04/09.md

957 B

Amin'ireo voafora ihany ve no hanononana izany tso-drano izany, sa amin'ireo tsy voafora koa?

Io fanamarihana io dia miendrika fanontanina mba ho fanamafisana. DH: "ireo izay voafora ihany ve no tahian'Andriamanitra, sa ireo izay tsy voafora ihany koa?

ireo voafora

Manondro ireo vahoaka Jiosy io. DH: "ireo Jiosy"

ireo tsy voafora

Manondro ireo vahoaka tsy Jiosy io. DH: "ireo Jentilisa"

Ny finoana dia nisain'i Abrahama ho fahamarinana

Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra dia nandray ny finoan'i Abrahama ho Fahamarinana"

Koa ahoana ary no nanisana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora, sa tamin'izy tsy mbola voafora?

Mametraka ireo fanontaniana ireo i Paoly mba hanamafisana ny fanamarihany. DH: "Oviana Andriamanitra no nihevitra an'i Abrahama ho marina? Talohan'ny namoràna azy ve? sa taorian'izany?"

Tsy tamin'izy efa voafora fa tamin'izy mbola tsy voafora

"Niseho talohan'ny namorana azy izany, fa tsy taorian'ny namorana azy"