# Amin'ireo voafora ihany ve no hanononana izany tso-drano izany, sa amin'ireo tsy voafora koa? Io fanamarihana io dia miendrika fanontanina mba ho fanamafisana. DH: "ireo izay voafora ihany ve no tahian'Andriamanitra, sa ireo izay tsy voafora ihany koa? # ireo voafora Manondro ireo vahoaka Jiosy io. DH: "ireo Jiosy" # ireo tsy voafora Manondro ireo vahoaka tsy Jiosy io. DH: "ireo Jentilisa" # Ny finoana dia nisain'i Abrahama ho fahamarinana Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra dia nandray ny finoan'i Abrahama ho Fahamarinana" # Koa ahoana ary no nanisana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora, sa tamin'izy tsy mbola voafora? Mametraka ireo fanontaniana ireo i Paoly mba hanamafisana ny fanamarihany. DH: "Oviana Andriamanitra no nihevitra an'i Abrahama ho marina? Talohan'ny namorĂ na azy ve? sa taorian'izany?" # Tsy tamin'izy efa voafora fa tamin'izy mbola tsy voafora "Niseho talohan'ny namorana azy izany, fa tsy taorian'ny namorana azy"