plt_tn/rom/03/15.md

961 B

izy ireo ... izy ireo ... Ireny olona ireny ... izy ireo

Ireo teny ireo dia manondro ireo Jiosy sy ireo Grika ao amin'ny 3:9.

Ny tongotr'izy ireo dia havanana amin'ny fandatsahan-drà

Eto ny teny hoe "tongotra" dia sarin-teny ilazana ireo olona. Ny teny hoe "rà" dia sarin-teny maneho ny famonoana olona. DH: "Izy ireo dia mailaka ny hamely sy hamono olona"

Ny fanimbana sy ny fijaliana dia eny amin'ny lalan'izy ireo

Eto ny teny hoe "fanimbana sy fijaliana" dia maneho ny famelezana hataon'ireo olona ireo mba hampijaliana ny hafa. DH: "Izy ireo da miezaka ny hamotika ny hafa ary mahatonga azy ireo hijaly"

ny lalan'ny fiadanana

"ahoana ny miaina am-piadanana miaraka amin'ny hafa."

Tsy mba misy tahotra an'Andriamanitra eo anoloan'ny mason'izy ireo.''

Eto ny teny hoe '"tahotra" dia maneho ny fanajana an'Andriamanitra ary finiavana hanome voninahitra azy. DH: "Ny rehetra dia mandà ny hanome an'Andriamanitra ny haja izay mendrika Azy"