# izy ireo ... izy ireo ... Ireny olona ireny ... izy ireo Ireo teny ireo dia manondro ireo Jiosy sy ireo Grika ao amin'ny 3:9. # Ny tongotr'izy ireo dia havanana amin'ny fandatsahan-drà Eto ny teny hoe "tongotra" dia sarin-teny ilazana ireo olona. Ny teny hoe "rà" dia sarin-teny maneho ny famonoana olona. DH: "Izy ireo dia mailaka ny hamely sy hamono olona" # Ny fanimbana sy ny fijaliana dia eny amin'ny lalan'izy ireo Eto ny teny hoe "fanimbana sy fijaliana" dia maneho ny famelezana hataon'ireo olona ireo mba hampijaliana ny hafa. DH: "Izy ireo da miezaka ny hamotika ny hafa ary mahatonga azy ireo hijaly" # ny lalan'ny fiadanana "ahoana ny miaina am-piadanana miaraka amin'ny hafa." # Tsy mba misy tahotra an'Andriamanitra eo anoloan'ny mason'izy ireo.'' Eto ny teny hoe '"tahotra" dia maneho ny fanajana an'Andriamanitra ary finiavana hanome voninahitra azy. DH: "Ny rehetra dia mandà ny hanome an'Andriamanitra ny haja izay mendrika Azy"