plt_tn/rom/01/18.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mampiseho ny fahatezerana lehiben'Andriamanitra manoloana ny olona mpanota.

Fa ny fahatezeran'Andriamanitra dia naseho

Paoly dia manazava hoe nahoana ny olona no mila mihaino ny filazantsara. Afaka adika hoe DH: "Fa Andriamanitra dia mampiseho ny fahatezerany"

manoloana

amin'ny

haratsiam-panahy sy ny tsy fahamarinan'ny olona

"ireo rehetra tsy araka an'Andriamanitra sy ireo zavatra tsy marina izay ataon'ny olona"

izay manakana ny fahamarinana

Eto ny teny hoe " fahamarinana" dia ilazana ny fampahafantarana marina momba an'Andriamanitra. DH: "manafina ny fampahafantarana marina momban'Andriamanitra"

izay fantatra momban'Andriamanitra dia hitan'izy ireo maso

Afaka adika hoe DH: "afaka nahafantatra ny momba an'Andriamanitra izy ireo noho izay hitan'izy ireo mibaribary"

Fa nohazavain'Andriamanitra izy ireo

Eto ny teny hoe "nohazavain'Andriamanitra izy ireo" dia midika fa Andriamanitra dia nampiseho ny fahamarinana momba Azy tamin'izy ireo. DH: "Fa Andriamanitra nampiseho ny tsirairay hoe toy ny ahoana izy"