plt_tn/rom/01/16.md

1.4 KiB

Fa izaho dia tsy menatra amin'ny filazantsara

Afaka adika hoe: "Mahatoky tanteraka ny filazantsara aho"

fa izany no herin'Andriamanitra ho famonjena ireo rehetra izay mino

Eto ny hoe "mino" dia midika fametrahan'ny olona iray ny tokiny amin'i Kristy. DH: "amin'ny alalan'ny filazantsara no hamonjen'Andriamanitra amin-kery ireo izay nametraka ny fitokiany amin'i Kristy"

ho an'ny Jiosy aloha ary ho an'ny Grika

"ho an'ny olona Jiosy ary ho an'ny olona Grika ihany koa"

aloha

Eto ny hoe "aloha" dia midika fahatongavana amin'ny fotoana mialohan'ireo rehetra hafa.

Fa amin'izany

Eto ny teny "izany" dia maneho ny filazantsara. Paoly dia manazava ny hoe nahoana no mahatoky tanteraka ny amin'ny filazantsara izy.

fahamarinan' Andriamanitra avy amin'ny finoana ho amin'ny finoana

Paoly dia miresaka momba ny hafatry ny filazantsara toy ny hoe zavatra izay afaka hasehon'Andriamanitra mivaingana amin'ny olona. Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra niteny tamintsika fa amin'ny finoana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany no hahatongavan'ny olona ho marina"

araka izay voasoratra

Afaka adika hoe DH: "araka ny voasoratry ny olona iray ao amin'ny Soratra Masina"

Ny marina dia hivelona amin'ny finoana

Eto ny hoe "marina" dia ilazana ireo izay matoky an'Andriamanitra. DH: "ny olona izay matoky an'Andriamanitra fa mihevitra marina momba azy Izy, ary izy ireo dia ho velona mandrakizay"