# Fa izaho dia tsy menatra amin'ny filazantsara Afaka adika hoe: "Mahatoky tanteraka ny filazantsara aho" # fa izany no herin'Andriamanitra ho famonjena ireo rehetra izay mino Eto ny hoe "mino" dia midika fametrahan'ny olona iray ny tokiny amin'i Kristy. DH: "amin'ny alalan'ny filazantsara no hamonjen'Andriamanitra amin-kery ireo izay nametraka ny fitokiany amin'i Kristy" # ho an'ny Jiosy aloha ary ho an'ny Grika "ho an'ny olona Jiosy ary ho an'ny olona Grika ihany koa" # aloha Eto ny hoe "aloha" dia midika fahatongavana amin'ny fotoana mialohan'ireo rehetra hafa. # Fa amin'izany Eto ny teny "izany" dia maneho ny filazantsara. Paoly dia manazava ny hoe nahoana no mahatoky tanteraka ny amin'ny filazantsara izy. # fahamarinan' Andriamanitra avy amin'ny finoana ho amin'ny finoana Paoly dia miresaka momba ny hafatry ny filazantsara toy ny hoe zavatra izay afaka hasehon'Andriamanitra mivaingana amin'ny olona. Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra niteny tamintsika fa amin'ny finoana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany no hahatongavan'ny olona ho marina" # araka izay voasoratra Afaka adika hoe DH: "araka ny voasoratry ny olona iray ao amin'ny Soratra Masina" # Ny marina dia hivelona amin'ny finoana Eto ny hoe "marina" dia ilazana ireo izay matoky an'Andriamanitra. DH: "ny olona izay matoky an'Andriamanitra fa mihevitra marina momba azy Izy, ary izy ireo dia ho velona mandrakizay"