plt_tn/rev/20/13.md

1.3 KiB

Ny ranomasina namoaka ny maty izay tao anatiny. Ny fahafatesana sy ireo fiainan-tsy hita dia namoaka ny maty

Eto Jaona dia miresaka ny ranomasina, ny fahafatesana, ary ny fiainan-tsy hita toy ny hoe olona velona ireo.

ary ny maty dia notsaraina

Afaka atao hoe: "Andriamanitra nitsara ireo olona maty"

Ny fahafatesana sy fiainan-tsy hita dia natsipy

Afaka atao hoe: "Andriamanitra dia nanipy ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita" na "Ny anjelin'Andriamanitra dia nanipy ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita"

ny fiainan-tsy hita

Eto ny hoe "fiainan-tsy hita" dia hevitra ambadika izay maneho ny toerana handehanan'ireo tsy mpino hiandrasan'izy ireo ny fitsaran'Andriamanitra rehefa maty izy ireo.

fahafatesana faharoa

"fahafatesana fanindroany." Faritana ho fanasaziana mandrakizay ao amin'ny farihin'ny afo ao amin'ny 20:13 ary 21:17 izany. DH: "fahafatesana farany ao amin'ny farihin'ny afo." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 2:10.

Raha nisy anarana tsy hita voasoratra ao amin'ny

Afaka atao hoe: "Raha tsy hitan'ny anjelin'Andriamanitra ny anaran'ny olona iray"

dia natsipy tao amin'ny farihy afo

Afaka atao hoe: "ilay anjely hanipy azy ao anatin'ny farihin'ny afo" na "ilay anjely hanipy azy ao amin'ny toerana izay handoroan'ny afo mandrakizay"