plt_tn/rev/20/01.md

961 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Jaona dia manomboka mamaritra ny fahitany anjely iray izay manipy devoly ao anatin'ny lavaka tsy hita noanoa.

Ary nahita ... aho

Eto ny hoe: "aho" dia maneho an'i Jaona.

lavaka tsy hita noanoa

Lavaka lalina sy tery. Ireo mety ho dikany 1) ny lava-drano dia tsy misy fiafarana; fa miha-midina lalina mandrakizay na 2) lalina tokoa ny lava-drano toy ny hoe tsy misy fiafarana izany.

dragona

biby mandady lehibe, masiaka, tahaka ny androngo. Ho an'ny olona Jiosy, izany dia famantarana ny ratsy sy ny fikorontanana.

nohidiny izany

Ilay anjely nanidy ny lava-drano mba tsy hisy olona hamoha izany. DH: "nanidy izany mba tsy hisy olona hamoha azy"

hamitahany ny firenena maro

Eto ny hoe: "ireo firenena" dia hevitra ambadiky ny olona eto an-tany. DH: "namitaka ireo vondron'olona"

arivo taona

"1000 taona"

tsy maintsy havotsotra

Afaka atao hoe: "Andriamanitra hibaiko ny anjely mba hamotsotra azy"