plt_tn/rev/20/01.md

32 lines
961 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Jaona dia manomboka mamaritra ny fahitany anjely iray izay manipy devoly ao anatin'ny lavaka tsy hita noanoa.
# Ary nahita ... aho
Eto ny hoe: "aho" dia maneho an'i Jaona.
# lavaka tsy hita noanoa
Lavaka lalina sy tery. Ireo mety ho dikany 1) ny lava-drano dia tsy misy fiafarana; fa miha-midina lalina mandrakizay na 2) lalina tokoa ny lava-drano toy ny hoe tsy misy fiafarana izany.
# dragona
biby mandady lehibe, masiaka, tahaka ny androngo. Ho an'ny olona Jiosy, izany dia famantarana ny ratsy sy ny fikorontanana.
# nohidiny izany
Ilay anjely nanidy ny lava-drano mba tsy hisy olona hamoha izany. DH: "nanidy izany mba tsy hisy olona hamoha azy"
# hamitahany ny firenena maro
Eto ny hoe: "ireo firenena" dia hevitra ambadiky ny olona eto an-tany. DH: "namitaka ireo vondron'olona"
# arivo taona
"1000 taona"
# tsy maintsy havotsotra
Afaka atao hoe: "Andriamanitra hibaiko ny anjely mba hamotsotra azy"