plt_tn/rev/17/09.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ilay anjely dia manohy ny fitenenany. Eto izy dia manazava ny dikan'ireo loha fiton'ilay bibi-dia izay taingenan'ilay vehivavy.

Miantso ... izany

"Mitaky fananana ... izany"

Miantso saina izay manam-pahendrena izany

Ireo anarana hoe: "saina" sy "fahendrena" dia afaka atao hoe "mihevitra" sy "hendry." DH: "Mila saina hendry mba hahatakatra izany" na "Mila mihevitra am-pahendrena ianao mba hahatakatra izany"

Ireo loha fito dia vohitra fito

Eto ny hoe: "dia" dia midika hoe: "maneho"

Mpanjaka dimy no lavo

Ilay anjely dia miteny ny fahalavoana ho fahafatesana. DH: "Mpanjaka dimy no maty"

anankiray no misy

"mpanjaka iray no velona ankehitriny"

ary ny hafa dia mbola tsy tonga; rehefa tonga izy

Afaka atao hoe: "ny hafa dia mbola tsy mpanjaka; fa rehefa tonga mpanjaka izy"

dia fe-potoana kely ihany no hitoerany

Ilay anjely dia miresaka ny olona iray lasa mpanjaka ho toy ny hoe mijanona eo amin'ny toerana misy azy. DH: "fe-potoana kely ihany no maha-mpanjaka azy"