# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ilay anjely dia manohy ny fitenenany. Eto izy dia manazava ny dikan'ireo loha fiton'ilay bibi-dia izay taingenan'ilay vehivavy. # Miantso ... izany "Mitaky fananana ... izany" # Miantso saina izay manam-pahendrena izany Ireo anarana hoe: "saina" sy "fahendrena" dia afaka atao hoe "mihevitra" sy "hendry." DH: "Mila saina hendry mba hahatakatra izany" na "Mila mihevitra am-pahendrena ianao mba hahatakatra izany" # Ireo loha fito dia vohitra fito Eto ny hoe: "dia" dia midika hoe: "maneho" # Mpanjaka dimy no lavo Ilay anjely dia miteny ny fahalavoana ho fahafatesana. DH: "Mpanjaka dimy no maty" # anankiray no misy "mpanjaka iray no velona ankehitriny" # ary ny hafa dia mbola tsy tonga; rehefa tonga izy Afaka atao hoe: "ny hafa dia mbola tsy mpanjaka; fa rehefa tonga mpanjaka izy" # dia fe-potoana kely ihany no hitoerany Ilay anjely dia miresaka ny olona iray lasa mpanjaka ho toy ny hoe mijanona eo amin'ny toerana misy azy. DH: "fe-potoana kely ihany no maha-mpanjaka azy"