plt_tn/rev/09/13.md

28 lines
1000 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ilay anjely fahenina amin'ireo anjely fito dia manomboka mampaneno ny trompetrany.
# naheno ny feo nivoaka
Ny feo dia manondro an'ilay iray izay miteny. Jaona dia tsy miteny hoe iza ilay miteny, fa mety hoe Andriamanitra izany. DH: "Nandre olona iray niteny aho"
# tandroky ny alitara volamena
Tandrok'ondry isaky ny zoro efatra amin'ny tampon'ny altara ireo.
# Niteny ilay feo nanao hoe:
Ilay feo dia maneho an'ilay miresaka. DH: "Ilay mpiteny nanao hoe"
# Ireo anjely efatra izay efa nomanina ... tamin'izany taona izany, dia navotsotra
Afaka atao hoe: "Ilay anjely dia namotsitra ireo anjely efatra izay nomanina ... tamin'izany taona izany"
# Ireo anjely efatra izay efa nomanina
Afaka atao hoe: "Ireo anjely efatra izay nomanin'Andriamanitra"
# tamin'izany ora izany, izany andro izany, izany volana izany, ary izany taona izany
Ireo teny ireo dia ampiasaina mba hampisehoana fa misy fotoana voafaritra eto. DH: "amin'izany fotoana marina izany"