plt_tn/rev/09/03.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# ireo valala
andiam-balala izay hatahoran'ny olona satria mihinana ny ravina rehetra eny an-jaridaina sy eny amin'ny hazo.
# hery tahaka ny an'ny maingoka
Ny maingoka dia afaka manindrona ary manapoizina ny biby hafa na ny olona. DH: "fahaizana manindrona olona tahaka ny ataon'ny maingoka"
# ny maingoka
biby kely izay manana fanindromana misy poizina eo amin'ny rambony. Ny fanindroman'izy ireo dia tena marary tokoa ary ela ny faharetan'ny faharariana.
# Notenenina izy ireo tsy hanimba ny ahitra teto ambonin'ny tany na ireo zava-maniry maitso na hazo
Ireo valala tsotra dia fampitahorana mahatsiravina ny olona satria rehefa manao andiam-balala izy ireo, dia mety hihinana ny bozaka sy ny ravin-kazo rehetra. Notenenina tsy hanao izany ireo valala ireo.
# fa ireo olona
Ny teny hoe: "hamotika" na "hamely" dia efa fantatra. DH: "fa hamely ny olona ihany"
# tombo-kasen'Andriamanitra
Ny teny hoe: "tombo-kase" eto dia maneho ny fitaovana fanindriana marika. Amin'ity tranga ity ilay fitaovana dia ampiasaina mba hanindriana marika eo amin'ny olon'Andriamanitra. DH: "Marik'Andriamanitra."