plt_tn/rev/09/03.md

1.1 KiB

ireo valala

andiam-balala izay hatahoran'ny olona satria mihinana ny ravina rehetra eny an-jaridaina sy eny amin'ny hazo.

hery tahaka ny an'ny maingoka

Ny maingoka dia afaka manindrona ary manapoizina ny biby hafa na ny olona. DH: "fahaizana manindrona olona tahaka ny ataon'ny maingoka"

ny maingoka

biby kely izay manana fanindromana misy poizina eo amin'ny rambony. Ny fanindroman'izy ireo dia tena marary tokoa ary ela ny faharetan'ny faharariana.

Notenenina izy ireo tsy hanimba ny ahitra teto ambonin'ny tany na ireo zava-maniry maitso na hazo

Ireo valala tsotra dia fampitahorana mahatsiravina ny olona satria rehefa manao andiam-balala izy ireo, dia mety hihinana ny bozaka sy ny ravin-kazo rehetra. Notenenina tsy hanao izany ireo valala ireo.

fa ireo olona

Ny teny hoe: "hamotika" na "hamely" dia efa fantatra. DH: "fa hamely ny olona ihany"

tombo-kasen'Andriamanitra

Ny teny hoe: "tombo-kase" eto dia maneho ny fitaovana fanindriana marika. Amin'ity tranga ity ilay fitaovana dia ampiasaina mba hanindriana marika eo amin'ny olon'Andriamanitra. DH: "Marik'Andriamanitra."