plt_tn/rev/06/09.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown

# ny tombo-kase fahadimy
"ny tombo-kase manaraka" na "ny tombo-kase laharana fahadimy"
# ireo izay novonoina
Afaka atao hoe: "ireo izay novonoin'ny hafa"
# ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona
Ireo mety ho dikany: 1) ny fijoroana vavolombelona dia ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra amin'ny fahamarinan'ny teniny, na 2) ny fijoroana vavolombelona dia ny fijoroana vavolombelon'ireo mpino amin'ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra.
# izay notànan'izy ireo
Ny finoana ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka tazomin'ny tanana iray. DH: "izay hinoan'izy ireo"
# sy hamalianao faty ny rànay
Ny teny hoe: rà eto dia maneho ny fahafatesan'izy ireo. DH: "manasazy ireo izay namono anay"
# mandra-pahazoana ny isa feno ... ireo izay tokony hovonoina
Izany dia maneho fa Andriamanitra dia nandray fanapahan-kevitra fa ny olona sasany dia tokony ho voavonon'ireo fahavalon'izy ireo.
# ireo mpiara-manompon'izy ireo sy ireo rahalahy sy anabavin'izy ireo
Izany dia vondron'olona voafaritra amin'ny fomba roa: toy ny mpanompo sy toy ny rahalahy ary toy ny rahavavy. DH: "ireo rahalahin'izy ireo sy ny rahavavin'izy ireo izay manompo an'Andriamanitra miaraka amin'izy ireo" na "ireo mpino mpanaraka azy ireo izay manompo an'Andriamanitra miaraka amin'izy ireo"
# ireo rahalahy sy ireo rahavavy
Ny Kristiana matetika dia resahina toy ny hoe: rahalahy sy rahavavin'ny hafa. DH: "Kristiana mpanaraka" na "mpino mpanaraka"