# ny tombo-kase fahadimy "ny tombo-kase manaraka" na "ny tombo-kase laharana fahadimy" # ireo izay novonoina Afaka atao hoe: "ireo izay novonoin'ny hafa" # ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona Ireo mety ho dikany: 1) ny fijoroana vavolombelona dia ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra amin'ny fahamarinan'ny teniny, na 2) ny fijoroana vavolombelona dia ny fijoroana vavolombelon'ireo mpino amin'ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra. # izay notànan'izy ireo Ny finoana ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka tazomin'ny tanana iray. DH: "izay hinoan'izy ireo" # sy hamalianao faty ny rànay Ny teny hoe: rà eto dia maneho ny fahafatesan'izy ireo. DH: "manasazy ireo izay namono anay" # mandra-pahazoana ny isa feno ... ireo izay tokony hovonoina Izany dia maneho fa Andriamanitra dia nandray fanapahan-kevitra fa ny olona sasany dia tokony ho voavonon'ireo fahavalon'izy ireo. # ireo mpiara-manompon'izy ireo sy ireo rahalahy sy anabavin'izy ireo Izany dia vondron'olona voafaritra amin'ny fomba roa: toy ny mpanompo sy toy ny rahalahy ary toy ny rahavavy. DH: "ireo rahalahin'izy ireo sy ny rahavavin'izy ireo izay manompo an'Andriamanitra miaraka amin'izy ireo" na "ireo mpino mpanaraka azy ireo izay manompo an'Andriamanitra miaraka amin'izy ireo" # ireo rahalahy sy ireo rahavavy Ny Kristiana matetika dia resahina toy ny hoe: rahalahy sy rahavavin'ny hafa. DH: "Kristiana mpanaraka" na "mpino mpanaraka"