plt_tn/rev/03/17.md

20 lines
981 B
Markdown

# ianareo no tena ory, mampahonena, mahantra, jamba ary mitanjaka
Jesosy dia miresaka momba ny toetoetry ny ara-panahin'izy ireo toy ny hoe miresaka momba ny toetoetry ny ara-batan'izy ireo. DH: "Ianareo dia toy ny olona izay tena ory indrindra, mampahonena, mahantra, jamba, ary mitanjaka."
# Mividiana volamena voadio tamin'ny afo amiko
Ny volamena voadio tamin'ny afo dia madio ary sarobidy tokoa. Eto ny famonjena izay omen'ny zanak'olombelona dia resahina toy ny hoe volamena. DH: "Handray avy amiko izay tena sarobidy indrindra, tahaka ny volamena voadio tamin'ny afo"
# tonga mpanan-karena
Izany dia maneho ny harena ara-panahy, miaina ny fiainana izay sarobidy indrindra eo imason'Andriamanitra. DH: "mba hanan-karena ara-panahy" na "mba hiaina fiainana sarobidy indrindra"
# akanjo fotsy manjopiaka
Ny akanjo fotsy manjopiaka dia maneho ny fahamarinana. DH: "fahamarinana, tahaka ny akanjo fotsy"
# mba hahiratanareo
Ny fahiratana dia maneho fahazoana ny marina.