plt_tn/rev/03/17.md

981 B

ianareo no tena ory, mampahonena, mahantra, jamba ary mitanjaka

Jesosy dia miresaka momba ny toetoetry ny ara-panahin'izy ireo toy ny hoe miresaka momba ny toetoetry ny ara-batan'izy ireo. DH: "Ianareo dia toy ny olona izay tena ory indrindra, mampahonena, mahantra, jamba, ary mitanjaka."

Mividiana volamena voadio tamin'ny afo amiko

Ny volamena voadio tamin'ny afo dia madio ary sarobidy tokoa. Eto ny famonjena izay omen'ny zanak'olombelona dia resahina toy ny hoe volamena. DH: "Handray avy amiko izay tena sarobidy indrindra, tahaka ny volamena voadio tamin'ny afo"

tonga mpanan-karena

Izany dia maneho ny harena ara-panahy, miaina ny fiainana izay sarobidy indrindra eo imason'Andriamanitra. DH: "mba hanan-karena ara-panahy" na "mba hiaina fiainana sarobidy indrindra"

akanjo fotsy manjopiaka

Ny akanjo fotsy manjopiaka dia maneho ny fahamarinana. DH: "fahamarinana, tahaka ny akanjo fotsy"

mba hahiratanareo

Ny fahiratana dia maneho fahazoana ny marina.