# ianareo no tena ory, mampahonena, mahantra, jamba ary mitanjaka Jesosy dia miresaka momba ny toetoetry ny ara-panahin'izy ireo toy ny hoe miresaka momba ny toetoetry ny ara-batan'izy ireo. DH: "Ianareo dia toy ny olona izay tena ory indrindra, mampahonena, mahantra, jamba, ary mitanjaka." # Mividiana volamena voadio tamin'ny afo amiko Ny volamena voadio tamin'ny afo dia madio ary sarobidy tokoa. Eto ny famonjena izay omen'ny zanak'olombelona dia resahina toy ny hoe volamena. DH: "Handray avy amiko izay tena sarobidy indrindra, tahaka ny volamena voadio tamin'ny afo" # tonga mpanan-karena Izany dia maneho ny harena ara-panahy, miaina ny fiainana izay sarobidy indrindra eo imason'Andriamanitra. DH: "mba hanan-karena ara-panahy" na "mba hiaina fiainana sarobidy indrindra" # akanjo fotsy manjopiaka Ny akanjo fotsy manjopiaka dia maneho ny fahamarinana. DH: "fahamarinana, tahaka ny akanjo fotsy" # mba hahiratanareo Ny fahiratana dia maneho fahazoana ny marina.