plt_tn/rev/02/18.md

966 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiatombohan'ny hafatry ny Zanak'Olona mankany amin'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira.

Tyatira

Anaran-tanàna iray ao Asia, izay Torkia amin'izao fotoana izao.

Zanak'Andriamanitra

Fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy.

maso toy ny lelafo

Ny masony dia mamaritra hoe feno hazavana tahaka ny lelan'afo. DH: "ireo masony dia namiratra tahaka ny lelan'afo"

tongotra toy ny varahina mangirana

Ny varahina dia nofotsiana mba hangirana sy handefa hazavana. DH: "Ireo tongony dia tena nangirana toy ny varahina nofotsiana"

Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao ary ny faharetanao

Afaka atao hoe: "Ny fomba fitiavanao, ny fahatokianao, ny fanompoanao, ary ny fiaretanao maharitra"

Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao ary ny faharetanao

Afaka atao mazava kokoa hoe: "Ny fitiavanao Ahy sy ny hafa, ny fahatokianao Ahy, ny fanompoanao ny hafa, ary ny fiaretanao maharitra ireo fahoriana"