plt_tn/rev/02/08.md

28 lines
886 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no fiatombohan'ny hafatry ny Zanak'Olona mankany amin'ny anjelin'ny fiangonana ao Smyrna.
# Smyrna
Anaran-tanàna iray ao Asia, izay Torkia amin'izao fotoana izao.
# Izaho no voalohany sy farany
Izany dia maneho ny maha-izy Azy an'i Jesosy.
# Fantatro ireo fahorianao sy ny fahantranao
Afaka atao hoe: "Fantatro fa mijaly sy mahantra ianao"
# Fantatro ny fitenenan-dratsy ho an'ireo izay miteny ny tenany fa Jiosy
Afaka atao hoe: "Fantatro fa ireo izay miteny hoe Jiosy izy ireo dia miteny ratsy anao" na "Fantatro fa ireo izay miteny hoe Jiosy izy ireo dia miteny zavatra mahatsiravina momba anao"
# kanefa tsy izy
"tsy tena Jiosy izy ireo"
# Synagogan'i Satana izy ireo
Ny olona izay miombona mba hankato na hanome voninahitra an'i Satana dia resahina toy ny hoe synagoga, toeran'ny fivavahana sy fampianarana ho an'ireo Jiosy.