plt_tn/rev/02/08.md

886 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiatombohan'ny hafatry ny Zanak'Olona mankany amin'ny anjelin'ny fiangonana ao Smyrna.

Smyrna

Anaran-tanàna iray ao Asia, izay Torkia amin'izao fotoana izao.

Izaho no voalohany sy farany

Izany dia maneho ny maha-izy Azy an'i Jesosy.

Fantatro ireo fahorianao sy ny fahantranao

Afaka atao hoe: "Fantatro fa mijaly sy mahantra ianao"

Fantatro ny fitenenan-dratsy ho an'ireo izay miteny ny tenany fa Jiosy

Afaka atao hoe: "Fantatro fa ireo izay miteny hoe Jiosy izy ireo dia miteny ratsy anao" na "Fantatro fa ireo izay miteny hoe Jiosy izy ireo dia miteny zavatra mahatsiravina momba anao"

kanefa tsy izy

"tsy tena Jiosy izy ireo"

Synagogan'i Satana izy ireo

Ny olona izay miombona mba hankato na hanome voninahitra an'i Satana dia resahina toy ny hoe synagoga, toeran'ny fivavahana sy fampianarana ho an'ireo Jiosy.